Ny tsy fanatanterahana izany hatramin'izay sy ny tsy fihainoana ny teny ifotony no mahatonga ity sehatra ity misedra izao olana goavana izao, hoy ny filoha nasionaliny, Hajo Andrianainarivelo. Ny fampiharana ny fitsinjaram-pahefana, izay ahafahana mamaha ity olana ity sy ny seha-pihariana maro eto Madagasikara, araka ny nivoitra nandritra ny fivoriana narahina ady hevitra niarahana tamin'ny MMM sy ireo mponina tao Soanierana Ivongo omaly. Tsy mbola voavahan'ny fanjakana mandrakak'androany ny olana mahazo ireo tantsaha sy mpandraharaha misehatra eo amin'ny lavanila. Anton'izany ny tsy fananan'ny fanjakana vina mazava sy politika nasionaly momba ity sehatra izay isan'ny iankinan'ny toekarem-pirenena ity. Eto Soanierana Ivongo, faritr’Analanjirofo, anatin'ny fahasahiranana tanteraka ireo raiamandreny amin'izao ankatoky ny fidiran'ny mpianatra izao. Isan'ny tarainan'ireo vahoaka nanatrika ny fivoriana narahina ady hevitra niarahana tamin'ny MMM teto Soanierana Ivongo ity fitotongan'ny seha-pihariana lavanilina ity. Olana, izay azo atao ny nisoroka azy raha mpitondra nanana vina nijery lavitra sy nanana politika mazava momba ity sehtra ity, hoy ny kandida ho filoham-pirenena Hajo Andrianainarivelo. Maro amin'ireo ray aman-dreny no mety tsy ahavita ampiana-janaka amin'ity taom-pianarana manaraka ity noho ny tsy fisian'ny hoenti-manana. Eo ihany koa ireo kivy, noho ny tsy fahitana asa. Ilaina ihany koa ny fihainoana ireo eny ifotony izay manana ny hevitra mifanaraka amin'ny filàn'izy ireo entina hanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana. Mifanindran-dalana amin'izay ny fampiofanana arak'asa, izay hamorain'ny fanjakana, ahafahan'ireo tanora miditra eo amin'ny sehatry ny asa avy hatrany araka ny fari-pahaizany sy ny fanomezam-pahsoavany, hoy hatrany i Hajo Andrianainarivelo raha nanamafy fa mbola hanohy fitetezam-paritra amin’ny distrika hafa.
J. Mirija
Nifanontona tamin’ny fihaonambe faha 5 an’ireo mpitondra fanjakàna anatin’ny vaomieran’ny
Niseho indray ny tsy nampoizina omaly teny amin’ny CCI Ivato, tao anatin’ny fanokafana ny Fivoriamben’ny
Filaminana sy fahaleovantena ara-tsakafo ho fampivoarana ny tsenan’ny Indianocéanie”,
Naverin'i Maurice amin’i Madagasikara ireo volamena milanja 25,5 kg izay nisy nanondrana
Miezaka hanome ny tsara hatrany amin’ireo tolotra ara-pizahantany ireo
Hotanterahina ny 28 Aprily hatramin’ny 04 Mey 2025 ny “Foire Digitale” na