hariva tokony ho tamin’ny 08 ora alina tany Ankofabe Maroantsetra. Ny hikiakan’io zaza io no nanaitra ny manodidina ka nifanome tanana nahavotra azy ireto farany. Efa tapitra may sy votsotra avokoa mantsy ny ranjony sy ny feny ary ny fitombenany. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia tovolahy vao 22 taona monja no rain’io zaza io, antsoina hoe : Antidahy Hely. Manana olana ara-tsaina anefa izy raha toraka izany ihany koa ilay vehivavy vadiny. Ny mahavariana anefa dia tena maro anaka izy ireo hoy ny vaovao. Miteraka hatrany Ramatoa isaky ny roa taona raha kely. Nilaza moa ilay Rangahy fa tsy fanahiniana no nandoroany an-janany fa vokatry ny hamamoana. Nilaza kosa ilay Ramatoa fa toa tsy tsaroany izany na dia voalaza aza fa nanatrika izany izy.
Nangonin’i Pati
Legende : Votsotra nitsetsatsetsa tahaka izao ny ranjo sy ny fe ary ny fitombenan’ilay zaza !
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny