Hisy ny fihaonan’ny Fikambanam-pirenen’ireo mpitsabo nentim-paharazana malagasy na ANTM amin’ny lehiben’ny sampan-draharahan’ny fampiasana ny zava-maniry fanao fanafody sy fitsaboana nentim-paharazana na SPMT ny alakamisy izao, hoy ny fampitam-baovao voaray avy eo anivon’ny ANTM omaly. Ny zoma 14 martsa izao kosa dia eny Ankazomalaza indray no iantsoana ny mpitsabo nentim-paharazana rehetra hitondra izay zanaka hazo gasy tahaka ny fanao, araka ny aingam-panahiny avy, hoy ny filohan’ny ANTM, Josephin Andriandrainarivo. Izay maty tamin’ny nambolena teo aloha dia ho soloina ary mbola malalaka koa ny toerana hanaovana voly hafa, hoy izy. Hamboly hazo indray izany isika amin’io fotoana io. Mbola anatin’ny vanim-potoana ivoriamben’ireo fikambanana miisa 17 mivondrona anaty ANTM isika izao hatramin’ny volana jona. Vita izay dia mijery indray ny fotoana hiarahana amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny hiarahana amin’ny minisiteran’ny kolontsaina ary ny minisitera misahana ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy, izay samy hanaovana fivoriambe indray hifanakalozam-baovao sy hikarakarana ny sata mifehy mba tena ho voalamina hifanaraka amin’ny tena zava-misy. Amin’ny volana jolay ny fivoriambe mikasika izay. Ny 31 aogositra moa dia antenaina indray ny fiarahana amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka amin’ny fankalazàna ny andro afrikanina momba ny fitsaboana nentim-paharazana. Mbola manodidina ny 2ha eo ny velaran-tany malalaka eny Ankazomalaza. Efa zava-dehibe raha miisa 2 na 3 na 5 aza no zanakazo ho entin’ny mpikambana isanisany. Sady hazo fitsaboana ireny no fitaizana ary fikolokoloana vatana. Sady tontolo iainana ireny no misy hasiny ary toerana mana-kasina rahateo i Ankazomalaza, izay eny Ambohimanga rova. Samia isika mitandro sy mikolokolo ireny farmasia voajanaharintsika ireny, hoy hatrany ny ANTM!
Nangonin’i J. Mirija
Ny nosy Maorisy dia nitaky ny hamerenana amin’izy ireo ny nosy Chagos
Tafintohina amin’ny fanambarana nataon’ny Governemanta frantsay, tamin’ny alalan’ny Minisitra lefitra
Ny APIPA na Sampan-draharaha fiarovana amin’ny fiakaran’ny rano eto amin’ny lemak’Antananarivo
Anisan’ny fitaovana tena ilaina amin’ny resaka famonjena voina ny « drone ».
Nisy ny sabotsy teo, tetsy Ankorondrano, ny fanolorana fitaovam-piasàna ho an’ireo
Misy ifandraisany ny firongatry ny tsy fandriampahalemana sy ny fitotongan’ny