airtel

Actualités

06-déc-2023

Harena azo tamin’ny kolikoly sy afera maloto

Fiara 116, kaontim-bola 6,227 miliara nogiazan’ny ARAI

Sample post image

Iray amin’ireo rafitra miantsoroka ny ady amin’ny kolikoly ny ARAI na

06-déc-2023

Agence National pour le Recouvrement des Avoirs Illicites ». Ny taona 2004 i Madagasikara no nanasonia ny Fifanarahan’ny Firenena Mikambana momba ny ady amin’ny kolikoly, ny 2015 no namolavolana ny paikady momba ny ady amin’ny kolikoly. Nitohy tamin’ny fananganana ireo rafitra maromaro mifameno amin’ny ady amin’ny kolikoly, ka tamin’ny alalan’ny didim-panjakana 2021-960 tamin’ny 29 novambra 2021 no tafatsangana tanteraka ny ARAI tamin’ny alalan’ireo mpikambana mandrafitra azy, ny lamina anatiny, ny fanodinana azy, ny asany,… Anatin’ny paikady 2015-2025 ny famaritana fa tokony ho hatrany amin’ny 40% amin’ny fanagiazana ny harena azo tamin’ny kolikoly sy ny afera maloto no ho tratra. Herintaona mahery izay no tena niodinan’ny ARAI, ka raha raha ny tatitra ofisialy omaly 05 desambra, dia nahatratra 210 ny fanapahan-kevitra efa noraisiny niainga tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ireo sampan-draharaha sy fitsarana momba ny kolikoly. Fiara 116 no nogiazana, kaontim-bola 501 tsy azo hetsehina ka vola 6 227 581 304 na 6,227 miliara Ar mahery no voageja ao anatin’izany. Mbola tsy nisy ny didy fanagiazana tanteraka, efa voageja vonjimaika eo am-pelanantanan’ny ARAI, ka ny andro hisian’ny fanapahan-kevitra farany hilazana fa hatao lavanty dia alefa any amin’ny kitapombolam-panjakana, ary miverina amin’ny tompony raha voamarina fa tsy azo tamin’ny kolikoly, hoy ny fanazavana. Azo lazaina ho nahafa-po ny vokatra tao anatin’ny taona voalohany, ary hihatsara tsikelikely mandritra ny taona ho avy, raha ny fanomezan-tokin’ny ARAI. Nampahantarina ofisialy omaly rahateo ny Paikady nasionaly momba ny famerenana amin’ny kitapombolam-panjakana ny harena azo tamin’ny kolikoly na afera maloto, izay endrika vaovao ho an’ny ady amin’ny kolikoly ka zava-dehibe ho an’ny ARAI sy ny rafitra miady amin’ny kolikoly. Ny Minisiteran’ny Fitsarana no miaraka manao ny fampananan-kery azy io. « Zavatra maro no nentina toy ny fahafahana mampihatra manerana ny Nosy ny famerenana amin’ny Fanjakana ny harena azo tamin’ny kolikoly. Raha marefo ny lalàna na misy zavatra tokony halamina dia tsy maintsy jerena ny fanatsarana. Tanjona anatin’ny paikady ihany koa ny handraisan’ny rehetra anjara amin’ny dingana famerenanana ny harena maloto amin’ny Fanjakana, hampandraisana anjara ny firaisamonim-pirenena, ny olom-pirenena, hametrahana ihany koa ny tamberin’andraikitry ny sampana miady amin’ny kolikoly amin’ny vahoaka », hoy ny Tale Jeneralin’ny ARAI Atoa Rasoloharimanana Aimé.
FANODINKODINANA VOLA SY FANANAM-PANJAKANA NO TENA BETSAKA
Raha ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny ARAI hatrany, 4 ireo heloka dia ny kolikoly sy izay miralenta aminy, fanodinkodinana volam-panjakana na fananam-panjakana, famotsiam-bola, famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana,… Ny betsaka indrindra amin’ny fananana giazana dia ny raharaha fanodinkodinana volam-panjakana sy fananam-panjakana, ary faharoa ny kolikoly izay miseho amin’ny endriny maro toy ny fanararaotam-pahefana, ny tsenam-panjakana,… ka saika tafiditra ao anatin’izany ireo fiara sy vola giazana. Mbola misy dingana sy didy anefa vao tena tonga any amin’ny fampidirana azy anaty kitapombolam-panjakana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap