airtel

Actualités

03-mars-2023

Actualités

Harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna Mba efa nisy voaverin’ny ARAI ve ?

Sample post image

Valo volana katroka izao no nahavitan’ny Jeneralin’ny Sampandraharaha Misahana ny Famerenana amin’ny

03-mars-2023

Fanjakana ny Harena Rehetra azo tamin’ny tsy Ara-dalàna na «Agence de Recouvrement des Avoirs Illicites" (ARAI), Rasoloharimanana Aimé, ny fianianana teo amin’ny Fitsarana Tampony Anosy. Fiaianana izay natrehin’ny filohan’ny Repoblika sy ny minisitry ny Fitsarana. Betsaka ny raharaham-pitsarana miady amin’ny kolikoly nandeha teo anivon’ny PAC (Pôle Anti-Corruption) tao anatin’izay fe-potoana izay, raha tsy hiteny afa-tsy ny tao amin’ny Jirama. Nisy ireo voaheloka, naiditra am-ponja tamin’ireo raharaha notsaraina teny amin’ny 67ha misy ny PAC. Ny laharan’i Madagasikara faha-147 amin’ny firenena 180 nanaovana fanadihadiana, araka ny tatitry ny Transparency International Initiative Madagascar ho an’ny taona 2021, ihany koa dia manaporofo fa anjakan’ny kolikoly ny sehatra sy rafitra rehetra eto Madagasikara. Dia mipetraka ny fanontaniana hoe mba efa nisy voaverin’ny ARAI ve ireo harena rehetra azo tamin’ny tsy ara-dalàna tao anatin’ireny raharaha ireny. Marihina fa faha-dimy amin’ny rafitra dimy miady amin’ny kolikoly ny Sampandraharaha misahana ny famerenana amin’ny fanjakana ny harena rehetra azo tamin’ny tsy ara-dalàna na ARAI. Andraikitr'ity Sampandraharaha ity ny hisahana ny mikasika sy ny mombamomba ireo harena azo amin'ny tsy ara-dalàna amin'ny ankapobeny. Dimy taona ny fe-potoana itondran’ny Tale Jeneraly taorian’ny fianianana nataony. Hiandry any amin’ny fahataperan’ny fe-potoana iasany ve vao hisy vokatra ?
Jean D.
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap