airtel

Actualités

13-janv-2023

Actualités

Hasarotam-piaro tafahoatra Nofirafirainy antsibe ny vadiny

Sample post image

Ny 23 desambra 2022, tokony ho tamin'ny 8 ora alina, rehefa tsy faly tamin'ny vadiny noho ny resaka hasarotam-piaro tafahoatra I Randriamamonjy Fidelis na Mamonjy,

13-janv-2023

31 taona, mpamboly, monina ao Soarivo, kaominin'Ankotrofotsy, distrikan'i Miandrivazo dia nofitahiny io vadiny io mba handeha hanatitra azy handro. Rehefa tonga tany anefa, nofirafirainy tamin'ny antsibe tsy nananany antra mihitsy ravehivavy, hoy ny fampitam-baovao voaray. Na nandositra aza i Mamonjy taorian'izay dia voasambotra tao an-tranon-drainy izay monina ao Antsoha ny 24 desambra 2022. Mbola manaraka fitsabona ao amin'ny tobim-pahasalamana eto Ambatolahy ilay ramatoa, amin'izao fotoana izao. Mamonjy kosa efa notazonina am-ponja vonjimaika ao Miandrivazo, raha ny fampitam-baovao voaray avy eo anivon’ny borigadin’ny zandarimaria ao Ambatolahy hatrany.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,

Card image cap
22-mai-2025

Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly

Card image cap
22-mai-2025

Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana

Card image cap
22-mai-2025

An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.

Card image cap
22-mai-2025

Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :

Card image cap
21-mai-2025

Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,

Card image cap