isan’olona. Handaniana tapak’andro satria tsy manana an’ireny intsony ireo seranam-piaramanidina any ivelany, ka tsy maintsy mamonjy toeram-pitsaboana manokana any amin’ilay firenena, hoy ny fanamarihana. Tonga eny Ivato dia mbola tsenaina amin ny fitiliana hafa indray ireo mpandeha. Ary mbola handoavam-bola. Any amin’ny seranana hafa nefa dia tsy mila izany intsony, hoy ny fanamarihana. Marina fa fisorohana ny fidiran’ny valanaretina, saingy misy endrika fitadiavam-bola ankolaka mihoatra ny fahita any ivelany, ankoatra ny fahalaniam-potoana. Na ao Maorisy, Afrika atsimo, Kenya,… samy tsy misy ahitana an’izany raha ny manodidina antsika sy mifandray amintsika. Tsy azon’izao fitondrana izao mihintsy ve ny maha zava dehibe ny fizahantany no toa kiviana sy hasarotina tanteraka ny fahafahana miditra aty Madagasikara? Tonga hatramin’ny fanaovana fahirano ny fifandraisana an’habakabaka amin’ny firenen-kafa toy ny amin’i Afrika Atsimo sy Kaomoro fa hoe: mitaky ny famerenana ny volamenantsika niondrana antsokosoko tany. Ekena fa resaka fiandrianam-pirenena ny fampodiana harem-pirenena saingy adino ve fahadisoan’ny manam-pahefana Malagasy ihany koa no nahatafaporitsaka an’ireny? Hatrany amin’ny lafiny toekarena sy ara-barotra no hatao takalon’aina? Mampiditra vola vahiny, manome asa ireo hotely, mamelona ireo mpisehatra rehetra mifandray mivantana na ankolaka aminy ny fizahantany. Raha hiverenana, nahatratra 3900miliara Ar ny fatiantoka, ny vola tsy niditra tamin’ny sehatra ara-pizahantany nandritra ny roa taona (2020-2021). Mbola hamafisina amin’ny fanidiana ireo sidina mpifandray amin’ny Madagasikara. Sa hiverin-dàlana hitodika manokana amin’i Lafrantsa indray ny politika tiana atao? Mba mila mahay mijery ny hafa ihany fa mety hamono asa maro ny tsy fahaizana manapan-kevitra ka sao ny hambo-po diso toerana no mbola hanampiana trotraka ny fahapotehana efa misy. Raha misy ny olana, mila vahana haingana amin’ny fomba diplaomatika, fa tsy hasarotina mandavan-taona.
Toky R
Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.
Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty
Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty
20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,
Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.
Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,