airtel

Actualités

12-févr-2026

Hendritiana Ralambomahay

"Fotoana toy izao no tena

Sample post image

ampisehoana ny firaisankina!"

12-févr-2026

Satria isika mpiray tanindrazana, hoy ny mpampaneno lakolosy na "influenceur", Hendritiana Ralambomahay, dia mahalala ihany koa fa mafy izany niatrika nivantana ny herin'ilay rivodoza izany. Maro ireo rava fananana, potika fihariana, traboina, hoy izy. Fotoana toy izao no tena ampisehoana ny firaisankina! Atao izay tratra ary atao amin'ny fo madio, tsy mila tambiny. Mbola hitsangana ireo faritra voadona mafy. Ny tanana iray mandray andraikitra dia mitovy amin'ny tanana miisa 10 mivavaka. Tsy ratsy, sanatria, ny mitondra am-bavaka fa arahin'asa izy no tena misy fiantraikany amin'ny fiainan'ireo mila vonjy. Na kely monja aza no vita, efa izy izay ary mahavita izay vitany, hoy hatrany ny tenany nanentana ireo mpiray tanindrazana hifanampy sy hifanohana ao anatin'izao andro ratsy mandalo eto amin'ny firenena izao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap