izany tamin’ny fitondrana teo aloha, saingy tsy nahery vaika noho ny zava-misy ankehitriny, izay mahatratra hatrany amin’ny 13ora isan’andro mitovy ny laharana n°13 an’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ny propagandy sy fifidianana. Nanamarika ny roa andron’ny 25 jona sy omaly 26 jona fa azo atao tsara ny tsy manapaka ny herinaratra, raha ho an’ny tambajotra iraisan’Antananarivo. Nandeha soa aman-tsara tsy nisy olana ny herinaratra tamin’ny ankampobeny tao anatin’izany roa andro izany, tahaka ny efa niseho tamin’ny alahady sy alatsinainy pantekoty. Niverina ampy tampoka teo ve ny tosiky ny rano amin’ny andro ririnina ary ampy tampoka ny kamio mpamatsy solika ary tsy nisy olana ara-pitaovana indray? Ny fandehanan’ny herinaratra tao anatin’ny roa andro, dia ahafahana milaza fa azo alefa ara-dalàna tsy misy fahatapahana ny jiro, fa fampiresahana sy fanadalana saim-bahoaka ny fialana bala lava toy ny filazana fa tsy ampy ny tosiky ny rano noho ny andro ririnina, tara sy tsy ampy ny solika,… Rehefa tena zohiana, ny vola hoenti-mividy solika hampiodinana ny Jirama mihitsy no tsy ampy sy tsy misy, hany ka tsy maintsy hampijaliana lava amin’ny delestazy ny vahoaka. Rehefa hampirevirevy amin’ny fety tahaka ny “podium” hanariana dia ny vahoaka dia tsy tapaka ny herinaratra amin’ny faritra misy an’izany. Rehefa andavanandro kosa, tsy te hahalala izay fihariana sy fivelomana, ary famokarana mihen-danja noho ny olana ara-angovo any. Ny fampiasana herinaratra mihena efa ho hatrany amin’ny antsasany noho ny delestazy, fa ny faktioran’ny Jirama anefa, tsy miova fa mitombo aza. Azo lazaina ho efa anjara birikin’ny Malagasy amin’ny fanarenana io orinasam-panjakana io izany, saingy vao mainka miha zava-doza ny fahatapahana herinaratra. Tsy arakaraka ny vavabe sy ny fampanantenana tamin’ny propagandy!
Toky R
Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,
Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly
Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana
An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.
Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,