airtel

Actualités

08-mars-2021

Actualités

Herintaona aty aoriana Aiza ho aiza ilay faminanian’i Johana ?

Sample post image

Tany amin’ny volana aprily 2020 no nivoahan’ilay horonantsary namboamboarina,

08-mars-2021

 

 

 miresaka faminaniana sy nilazana ny fisiana vehivavy mpaminany antsoina hoe Johana, teratany Breziliana tonga teto Madagasikara. Noforonina sy nezahina nentina nampifandraisina tamin’ny fitsaboana ny valanaretina coronavirus tamin’izany, ka nilazana fa avy eto Madagasikara no hiaingan’ny fanavotana izao tontolo izao. Ny mpitondra Fanjakana no nanao ny serasera momba io horonan-tsary toa noforomporonina sy karazana faminaniana sandoka nisintonana ny sain’ny Malagasy io. Herintaona latsaka aty aoriana isika izao. Samy afaka manontany tena hoe: tena marina sy nitombina ve sa finiavana hilalao saim-bahoaka fotsiny? Tsy manamaivana ny tambavy nambara fa sady mahasitrana no misoroka, fa mby aiza moa izany izao? Tsy fantatra intsony izay tohin’ny famokarana ilay ambara fa fanafody “CVO+”, izay efa nny 02 oktobra ny nanokanana ny ozinina. Asa firenena iza sy iza avy no efa nanafatra izany? Firy no efa lafo teto an-toerana? Tena miainga avy eto Madagasikara tokoa ve ny fanavotana izao tontolo izao? Marina fa efa tantara nivalona ny resaka faminanian’i Johana, saingy tao ahafahana manatsoaka lesona fa tia milalao saim-bahoaka, tia mamoron-javatra tonga hatrany amina resaka faminaniana sandoka, milalao ny resaka finoana ny mpitondra mba hoenti-maneho fa mety sy mahomby ny zavatra ataony.

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap