airtel

Actualités

24-août-2023

Herisetra sy fanimbana fananana

Teratany vahiny 80 taona voasambotra

Sample post image

Lehilahy iray tera-tany vahiny 80 taona no voasambotry ny Polisy ao Toamasina ny talata 22 Aogositra noho ny resaka fanimbana fananana sy herisetra.

24-août-2023

Raha tsiahivina kely ny tantara dia naharay antso avy tamina vehivavy iray ny Polisy fa vonoin'ny vadiny ao an-trano izy, omaly tokony ho tamin’ny 09 ora maraina. Fotoana fohy dia tonga teo amin'ny depot 4 eme Analankininina izay toerana hipetrahan'izy ireo ny Polisy. Araka ny hita teny an-toerana dia efa nosimbain'ity lehilahy ity avokoa ireo entana tao an-tranon'izy ireo no sady nikasi-tanana ilay ramatoa vadiny ihany koa izy. Noetina namonjy ny birao avy hatrany ity farany natao famotorana. Efa eo am-pelatanan'ny Polisy ny raharaha ary hatolotra ny fitsarana izany rehefa vita ny fanadihadihana. Tsiahivina moa raha araka ny fanazavan’ny mpitsara iray fa ny fikasihan-tanana vady tahaka izao no hahafahana mitazona ny lehilahy any amin’ny violon fa tsy sanatria fandaozana tokantrano akory, tahaka ilay tranga niseho teto amintsika andro vitsy lasa izay.
Pati
Legende : Ity ilay tera-tany vahiny namono ny vadiny !

 


 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap