airtel

Actualités

20-oct-2023

Hetsika iraisam-pirenena momba ny fonenana

Nosokafana omaly ny jobily volafotsy

Sample post image

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly teny amin’ny Expo Forello Tanjombato ny jobily volafotsy

20-oct-2023

fankalazana ny faha 25 taonan’ny hetsika iraisam-pirenena momba ny fonenana na “Salon international de l’Habitat”. Nanomboka omaly ity andiany faha 25 ity ary tsy hifarana raha tsy ny alahady hoavy izao. Miisa 120 mahery moa, raha ny fampahatsiahivan’ny tomponandraikitra voalohany eo amin’ny fikarakarana, Harilala Ramanantsoa, ireo tranoheva mandray anjara ary samy hanome fihenam-bidy avokoa mandra-pahatapitry ny hetsika. Ankoatran’ny lafiny anatin’ny trano sy ny manodidina azy dia hampiavaka ny hetsika ny fampiratiana ihany koa momba ny fanaingoana ny ivelan’ny trano toy ny resaka zaridaina sy ny manodidina izany. Hisy ihany koa ny fifampizarana traikefa eo amin’ireo samy mpandraharaha amin’ity sehatra iray ity sy ny velan-kevitra samihafa hampahafantarana bebe kokoa ny maha sarobidy izay tontolon’ny fonenana sy ny resaka mari-trano izay, hoy hatrany ny fanampim-panazavana natao nandritr’izao lanonam-panokafana izao.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap