airtel

Actualités

25-avril-2025

Hetsiky ny mponin’ny ranomasimbe Indianina

Manohitra ny vahaolana dison’ireo governemanta

Sample post image

Nifanontona tamin’ny fihaonambe faha 5 an’ireo mpitondra fanjakàna anatin’ny vaomieran’ny

25-avril-2025

ranomasimbe indianina na COI, izay natao teto Madagasikara omaly, ny fihaonambe iraisampirenena faha 4 an’ny Hetsiky ny mponin’ny ranomasimbe indianina na «Mouvement des peuples de l’océan indien» (MPOI), izay nokarakarain’ny fiarahamonim-pirenena CRAAD-OI sy notontosaina tetsy amin’ny PK.00 Soarano omaly. Ity hetsika ity moa dia hikambanan’ny solontenan’ireo mponina ao amin’ny nosy Maorisy, Rodrigues, Reunion, Madagascar, Comores, Seychelles, ny moron’i Afrika anatin’ny ranomasimbe indianina na «Afrique riveraine». Nisy ny fanambaràna nataon’izy ireo, izay nanararaotan’izao fihaonamben’ny COI izao ihany koa ka nampahatsiahivan’izy ireo fa ny mponin’ny ranomasimbe indianina dia ahitàna tompon-tany, mpifindra monina, tanora, tambanivohitra, mpanjono, mpiasa, mpanao asa tanana, mpanakanto, tia karokaroka. Notsiahivina fa ny taona 2018, 2020, 2024 no efa nisy fihaonamben’ny MPOI namolavolàna ny sata mifehy ny hetsika. Nisy hatrany ihany koa ny famakafakàna sy fandalinana ny toe-draharaha aty amin’ny ranomasimbe indianina ka nahitàna fa ny krizy ara-tontolo iainana sy fiovaovàn’ny toetr’andro maneran-tany dia miha mafy hatrany. Ahiana ny fitombon’ny hafanan’ny tany hatrany amin’ny 2,5% na 2,9% mihitsy any amin’ny taona 2100. Izany rehetra izany dia vokatry hetsika fanimbàna tontolo iainana ataon’ny olombelona mifanesisesy ary mahakasika manokana ny ranomasimbe indianina na dia tsy tena lohalaharana amin’izany fanimbàna tontolo iainana izany aza ireo mponina ao. Misy fiantraikany mikasika ny tokony ho rariny eo amin’ny lafiny toetr’andro sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo aty amin’ny ranomasimbe indianina izany rehetra izany. Ny antoka ara-tsakafona mponina miisa 135 tapitrisa dia miankina amin’ny tontolo iainan’ny morontsiraka, raha ny ranomasimbe indianina manokana no resaka. Manoloana izany dia miatrika fanamby goavana eo amin’ny lafiny fiovaovan’ny toetr’andro, fahasimban’ny tontolo iainana, fitomboan’ny fifindrà-monina, faharefoana ara-tsakafo, fihenan’ny famokarana ny fiainan’ireo mponin’ny ranomasimbe indianina. Manohitra ny vahaolana dison’ireo governemanta izay manery ireo mpamokatra madinika tahaka ny fampirisihana hampiasa akora simika, ny masomboly safiotra, ny OGM na «organismes génétiques modifiés», izay afarana amin’ireo firenena matanjaka ny ankamaroany, noho izany, ny MPOI. Praograman’asa izay tsy misy hafa-tsy ho an’ny tombontsoan’ireo mpiara-miombon’antoka sy orinasa lehibe fa tsy tena ho an’ny tombontsoan’ireo mponina akory. Takiana ny hamelàna ireo mponina hiaina sy hivelona malalaka amin’ny taniny ary takiana ihany koa ny fanonerana ireo takaitra navelan’ny fanandevozana nahazo ny mponin’ny ranomasimbe indianina, hoy hatrany ny MPOI. Nangonin’i J.
Mirija
Légende: Tetsy Soarano omaly

 

Dans la même rubrique

13-mai-2025

Tsy voaharo ny harem-pirenena eto, hoy ny mpahaiolona ara-kolontsaina sady

Card image cap
13-mai-2025

Andao harenina ity fitsarana ity. Sahia miteny isan’andro amin’ny havanareo: fahotana ny kolikoly .

Card image cap
13-mai-2025

Taorian’ny KFC izany dia hoavy eto Madagasikara koa ny Mc Donald’s na Mc Do,

Card image cap
13-mai-2025

Ny kojakojan-dakozia sy ny fandriana no tena be mpividy indrindra amin’izao ho an’ireo

Card image cap
09-mai-2025

Miantso ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, hidina any Ranobe, Toliara,

Card image cap
09-mai-2025

Tena mijaly amin’ny hafitsoky ny mpamosavy ireo miaramila mitoby ao amin’ny tobiny any amin’ny

Card image cap