Tsy miova ny vinavina fa manambana ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy ity rivodoza ity ka ahiana hiditra an-tanety eo anelanelan’ny Vatomandry sy Mananjary ny alin’ny sabotsy 05 febroary 2022. Tombanana ho rivodoza mahery vaika izy amin’izay fotoana izay, raha ny fampitam-baovao voaray izay midika fa hatevina ny rotsak’orana ary ho mafy ny fitsoaky ny rivotra. Tsy misy fiovana ny filazana fanairana miloko maintso mikasika ny rivodoza voarain’ireo distrika sy faritra voakasik’izany : Antalaha, Analanjirofo, Toamasina I- II, Vohibinany (brickaville), Vatomandry, Mahanoro, Antanambao Manampotsy, Nosy Varika, Mananjary, Manakara, Vohipeno, Farafangana, Vangaindrano ary Taolagnaro. Entanina manokana araka izany ny mponina voakasikin’ny fanairana mba hanaraka akaiky ny fivoaran’ity rivodoza ity. Ets ankilan’izay dia nahazo vahana ny varatraza nanomboka omaly ka entanina ny mpampiasa ranomasina rehetra amin’ny morontsiraka atsinanana manontolo mba tsy hiandriaka intsony, hoy ny filazan’ny sampandraharaha mpamantatra ny toetry ny andro omaly.
Hanorana tandrifindrahona sy hanorana malefaka manomboka anio alarobia ny faritra atsinanana sy avaratry nosy toa an’Antsinanana, Diana, Sava, Melaky.Rahampitso alakamisy kosa dia hanorana amin’ny ankapobeny ny morontsiraka atsinanana iray manontolo miampy ny ilany atsinanan’ny afovoan-tany. Saika ho maina kosa ny ilany andrefan’ny Nosy. Saika hahitana orana avokoa ny faritra maro manerana ny Nosy ny zoma ho avy izao fa ho betsaka kokoa ny any Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana mihazo an’i Matsiatra ambony sy Ihorombe
Nangonin’i RTT
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny