airtel

Actualités

10-févr-2026

Hiditra anio sy mety hahatratra 245km

ora i Gezani

Sample post image

Hamakivaky an’Atsinanana, Alaotra, Analamanga,…,

10-févr-2026

Mihamitombo hery hatrany ny rivodoza mahery vaika na Forte Tempête Tropicale GEZANI, izay efa manakaiky ny morontsiraka atsinanan’i Madagasikara. Araka ny tatitra avy amin’ny Météo Madagascar omaly tamin’ny 09 ora alina dia teo amin’ny 390 km atsinanan’i Toamasina no misy ny foibeny. Mitondra rivotra mahatratra 110 km/ora izy, miaraka amin’ny tafiotra mahery hatramin’ny 155 km/ora, ary mikisaka miakandrefana amin’ny hafainganam-pandeha 18 km/ora. Vinavinaina hiditra an-tanety ao amin’ny distrikan’i Toamasina II anio tolakandro na alina i GEZANI, amin’ny tanjaka rivodoza mahery vaika, ka mety hahatratra 245 km/ora ny tafiotra. Ankoatra ny rivotra, dia rotsakorana be no entiny, manodidina ny 100–150 mm/24 ora, izay mety hiteraka tondradrano, fiakaran’ny renirano ary fihotsahan’ny tany. Fampitandremana sy Fanentanana : Loza manambana miloko mavo: Ambatosoa, Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Analamanga, Betsiboka, Antalaha, Andapa, Mandritsara ary Befandriana Avaratra. - Fanairana miloko maintso: Bongolava, Itasy, Vakinankaratra, Melaky ary Menabe.
FIOMANAN’NY FANJAKANA SY NY FITONDRANA
Omaly ihany dia nidina ifotony tany Toamasina ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael, nanohana sy nankahery ny vahoaka. Ny governemanta tarihin’ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo kosa dia efa naneho ny alahady teo fa efa niomana ara-bola, ara-tsakafo ary ara-pitaovana ny Fanjakana. Efa misokatra ny Centre Opérationnel de Coordination des Opérations d’Urgences eo anivon’ny BNGRC sy any amin’ny faritra sasany voakasika. Raha misy ny filàna vonjy maika, ny laharana maitso 930, maimaim-poana, misokatra 24 ora amin’ny 24 ora isan’andro no antsoin’ny rehetra, araka ny toromariky ny BNGRC.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-juil-2026

125 Miliara Ariary eo hatreto ny kaonty nogiazana

Card image cap
17-juil-2026

Miara-miasa amin’ny rafitra iraisampirenena ny ARAI

Card image cap
17-juil-2026

Vao nanomboka dia nangotraka ny delestazy...

Card image cap
17-juil-2026

Misy mibodo ny tanin'ireo mponina

Card image cap
17-juil-2026

marika World Cola ny mpanankato Denise.

Card image cap
17-juil-2026

mampanahy raha tsy miara-mientana isika»

Card image cap