Ahitana lehilahy marobe sy vehivavy maromaro, mbola misy mitaiza kely roa ary ankizy latsaky ny 18 taona maro ao amin’ity fonjabe iray ity. Maro vokatr’izany ireo tratry ny tsy fanjarian-tsakafo ao an-toerana, aretina izay voalaza ho hiainan’ireo voafonja rehetra manerana ny Nosy mihitsy vokatry ny tsy fahampian-tsakafo. Manodidina ny 300 grama isan’andro eo ho eo mantsy ny anjara mangahazo omena azy ireny isan’andro raha ny loharanom-baovao azo. Nisy ny fanampin-tsakafo naterin’ny Ministry ny Fitsarana sy ireo mpiara-miasa aminy teny an-toerana noho izany afak’omaly Sabotsy 08 Febroary, fanampiana avy amin’ny fikambanana tsy miankina iray. Ny fanjakana Malagasy kosa no nanamora ny famoahana ny entana. Nambaran’ny Ministra tompon’andraikitra nandritra izany fa tsy natao ho an’ny olona salama io fanampin-tsakafo natokana ho an’ny voafonja io fa mankarary avy hatrany. Mety hampiakatra tosi-dra sy ny tahan’ny diabeta ao anatin’ny olona iray salama mihinana azy mantsy io fanampin-tsakafo nafarana io koa mampandre ireo izay mety ho alaim-panahy sahady ny tenany. Marihina tokoa fa misy amin’ireo karazan-tsakafo natokana ho an’ny zaza tratry ny tsy fanjarian-tsakafo no misy mivarotra eny amoron’arabe teo aloha teo, antony nanosika ny Ministra hilaza mialoha sahady.
Pati
Legende : Ny fonjaben’Ankazobe !
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny