aretina izay voafaritra ho laharana fahatelo mahafaty ny vehivavy amin’izao. 30 taona no zandriny indrindra hita sy fantatra raha araka ny fanazavan-drasazy Sarindra eo anivon’ny Fondation Akbaraly. Nambarany fa tsy tokony hipetrapetra-potsiny ny vehivavy Malagasy manoloana izany. Tokony ho mailo raha vantany vao miova endrika ny nono na hahatsapana fivontosana izay mety marary na tsia ka isam-bolana no tokony hanaovana ity farany. Ho an’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza indray dia nambarany fa amin’ny alalan’ny fitiliana ihany no hahafantarana izany ka ireo vehivavy efa nanao firaisana ara-nofo na efa niteraka no afaka manao azy. Isan-taona kosa no hanaovana ity farany izay nambarany fa aretina samy azo tsaboina tsara avokoa raha hita mialoha. Nifarana omaly Alakamisy 03 Oktobra ilay hetsika fitiliana maimaim-poana ny homamiadan’ny nono sy ny homamiadan’ny vozon’ny notanterahin’izy ireo tetsy amin’ny ivon-toerana miady amin’ny herisetra etsy Mahamasina niarahany tamin’ny Assocition Fitia, tarihin’ny vadin’ny Filoha. Tafiditra ao anatin’ilay hetsika Octobre Rose izay fanaovan’izy isan-taona izany entina hanampiana ny vehivavy Malagasy. Nitombo ny isan’ireo vehivavy tonga nanao fitiliana tamin’ity taona 2024 ity. Raha nitontaly 150 isa izany tamin’ny taona 2023 dia tafakatra 100 mahery tamin’ny andro voalohany afak’omaly Alarobia nanaovana ny hetsika izay tombanana hitovitovy tamin’io ihany koa omaly andro famaranana.
Pati
Legende : Ireo tompon’andraikitra nanao ny fitiliana nanomboka teny amin’ny Centre Kintana Ambatomena!
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny