airtel

Actualités

12-mai-2023

Actualités

Horohorontany tany Itasy Mandeha ny fanadihadiana ny IOGA

Sample post image

Nanamarina ny avy ao amin’ny Institut et observatoire de géophysique d’Antananarivo (IOGA) fa tena nisy horohorontany tokoa ny alarobia alina sy ny alakamisy maraina.

12-mai-2023

Re tany amin’ny faritra Itasy sy teto Antananarivo izy io, voatondro fa tao Ambatomenarana Itasy no re nihovitra voalohany ny tany , ny alarobia tokony ho tamin’ny 2 ora sy fahefany teo.Mbola nisy horohorontany 3 hafa ihany koa tao Ankoririka tamin’ny 4 ora tolakandro ka hatramin’ny 8 ora alina io alarobia io ihany. Mbola nihetsika ihany koa ny tany ny alakamisy tamin’ny 1 ora sy 16 minitra maraina. 3,2 sy 3,8 tamin’ny maridrefin’i Richter no tanjak’ireo horohorontany ireo araka ny fanazavan’ny IOGA ; tsy dia hoe zava-baovao na zava-mahagaga izy ity , hoy hatrany ny fanazavan’ny teknisianina fa rehefa mahatratra 4 ny maridrefy no manomboka re tsara amin’izay hoe mihetsika ny tany. Tsara ho marihina fa tany Volkanika ny any Itasy, ary efa eo am-pandinihina ny mety ho anton’izao horohorontany izao araka ny antontan-kevitra sy ny refy isan-karazany eo am-pelatanany ny IOGA.
Nangonin’i RTT

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap