amin’izy ireo ihany ary mivarotra izany amin'ny vazaha. Raha tsiahivina kely dia nahazo vahana tato anatin'ny volana vitsivitsy izao ny fandefasana sary mamoafady any ivelany izay ahitana horonan-tsary mamoafady handraisan'ny ankizy kely manomboka 5 taona ka hatramin'ny 14 taona anjara hitadiavan'izy ireo vola ka voakasika avokoa na lahy na vavy. Manoloana izany dia nisy ireo fitarainana voarain'ny avy eo anivon'ny sampandraharaha misahana ny cybercriminalité mahakasika ny fiparitahana sary sy "vidéo" anaty tambazotran-tserasera. Nisy araka izany ny fanadihadiana natao ka fantatra tamin'izany fa isany tompon'antoka amin'ny fanaparitahana horonan-tsary mamoafady ireto mpirahavavy ireto. Tamin’ny farany herinandro teo moa no tratran'ny polisy tetsy Anosy ireto farany ka nentina nihazo ny birao avy hatrany. Taorian'ny fanadihadiana azy ireo no nahafantarana fa efa fanaony ny manodina horonan-tsary mamoafady tahaka izao ary ny ankizy ao an-trano ihany no hirahin’izy ireo manao izany izay tsy ampy taona avokoa. Fantatra ihany koa fa misy mividy ny horonan-tsary izay hataon'ireo tovovavy ireto ka amidy 10€ isaky ny horonan-tsary iray ny vidiny. Niaiky ny asa ratsiny izy mirahavavy ireto ary nanaporofo izany ireo "vidéo" hita tao anatin'ny findainy. Omaly no natolotra ny fampanoavana izy ireo ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Legende: Ireto izy mirahavavy !
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny