nampiasany voambolana mamoafady tamina fiteny feno famingavingana, nanononany ny anarako sy ny anaran’ny ramatoa Voalohany, izay feno lainga sy faniratsirana, dia maneho etoana ny fahatezerako sy ny fanamelohana izany toetra tsy mendrika izany ny tenako, hoy ny filohan’ny antoko politika Monima, Monja Roindefo. Na inona na inona tsy fifankahazoana sy tsy fitovian-kevitro amin’izy mivady dia lavitra ny toetrako ny fivoizana lainga sy fanalam-baraka toy ireny, hoy izy. Hiantso ireo Raiamandreny iombonana voakasika amin’izany ny tenako hanatanteraka ny fomban-drazana ho famafana izany manoloana ny fanasoketana, hoy hatrany ity praiminisitra teo aloha ity. Azo lazaina ho niteraka resabe, indrindra, teo amin’ireo zanaky ny faritra atsimon’ny nosy moa ity horonantsary ity tamin’iny omaly iny ary isan’ny tazana ho niantso fanelanelanana manoloana ny disadisa eo amin’ny samy zanak’iny faritra iny ihany koa ny depiote voafidy tao Tsihombe, Masy Goulamaly.
Nisy moa ny fialan-tsiny nataon’i Andry Biahary omaly, nilaza fa diso izy ka miala tsiny amin’ity Praiminisitra teo aloha. Naneho fa manaja ity farany, fa Idior Monja no tiany horesahana saingy lasa Monja Roindefo.
J. Mirija
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny