airtel

Actualités

04-juin-2024

Hosoka manara-penitra

Abontsina ny vaton’ny IRMAR fa tsy hitan’ny rindram-baiko…

Sample post image

Betsaka ireo tranga mampiahiahy momba ny fanatsimbadihana voka-pifidianana amin’ny alalan’ny

04-juin-2024

fanabontsinana ny isam-baton’ireo kandida. Endrika iray nisehoany ny tany Sakaviro Mahasoa Manombo Be any amin’ny distrikan’i Ihosy, raha ny karazana ampamoaka nataon’ny Kandidan’ny Firaisankina, izay nampiseho fa 45 ny isam-bato azon’ny kandidan’ny IRMAR, saingy notovopnana 4 teo alohany ka lasa 445. « Mba tena sahy aloha ianareo manao zavatra toy izao. Satria ve matoky tena ianareo fa anareo ny CENI, HCC Dia sahy manova ary mangalatra toy izao. Toherinay ary tsy hisy ho afabela amin'izao ianareo voakasik'izao halatra tsy misy tahotra izao ? Satria ve nangalarinareo ny vatoko 2014, 2019 dia mbola hanohy koa 2024 ity. Stop! Ity kosa tsy handefitra intsony izahay. Matoky izahay fa misy fanjakana mijoro eto tsy hitazam-potsiny izao zavatra mangalabaraka ny firenena izao », hoy ny kandida Ranary. Ampamoaka nataon’ny Mpitarika eo anivon’ny Firaisankina dia ny Ambasadaoro teo aloha sady kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany kosa ny tranga tany Vondroso. « Ity misy ohatra anankiray fotsiny avokanay androany momba ny hosoka natao tany vondrozo. Ny kaominina Ambanivohitra Vohiboreka izay misy Birao fandatsaham-bato enina no resahina androany. Ny sary voalohany dia « tableau récapitulatif » avy amin’ny SRMV izay manome isam-bato 463 ho an’i kandida tsy miankina Randrianasolo Volatiana Pauline ary isam-bato 931 ho an’ny kandida IRMAR na kandidam-panjakana. Ny sary enina manaraka dia ny isa azon’ireo kandida tsirairay tamin’ny birao fandatsaham-bato 6. Raha ny fitambaran’ny vato azon’ny kandida Randrianasolo Volatiana Pauline dia tsy niova fa 463 ihany fa ny an’ny kandida IRMAR dia 412 fa tsy 931 izany hoe nahazo any amin’ny 519 amboniny. Ny tena loza dia noho io halatra bevava io dia lasa ambony indray ny « nombre des voix » na ny isam-bato (1996) toy izay ny « nombre des votants » na ny nandrotsa-bato (1878). Ny zavatra ohatr’ireny dia tokony ho hitan’ny rindram-baiko na « logiciel » raha manara-pentitra. Araka ny tatitra dia misy efatra ny kaominina misy tranga ohatr’izao mba handresena an’i depiote Randrianasolo Volatiana Pauline izay mitarika amin’ny elanelam-bato 1400 », hoy Atoa Paraina Auguste. Dia hoboriboriana amin’ny manao fitoriana kanefa homena ny azo raisina fa tsy mitombina ve ny tahaka ireny ? Sa hoentina any amin’ny fanafoanana ampahana voka-pifidianana ? Ireny no tratra fa betsaka no mbola mampiahiahy…
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap