airtel

Actualités

17-déc-2025

Hovelomina ny tetikasa Sahofika

Hovitaina hatramin'ny farany taona ny fifanarahana

Sample post image

Miverina mitohy ny fifampiraharahana

17-déc-2025

mikasika ny tetikasa lehibe momba ny famokarana herinaratra any Sahofika. Noraisin'ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika Michaël Randrianarina tao Iavoloha ireo mpamatsy vola niaraka tamin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo omaly, ka niresaka momba ny tetikasa “SAHOFIKA”. Ity tetikasa ity izay efa nomanina hatramin’ny taona 2014–2015 saingy tsy tanteraka noho ny antony samihafa. Raha toa ka efa nihodina dia tokony ho efa namokatra 300MW izy, ary ny dingana voalohany dia afaka mamokatra 192MW ka azo ampitomboina tsikelikely. Mitentina manodidina ny 1.2 miliara dolara ny tetibola ilaina amin’ny fanatanterahana azy, ka ny fanjakana no mitondra anjara lehibe ary efa vonona ny mpamatsy vola hanohy ny fiaraha-miasa, hoy ny tatitra. Manamafy ny Fanjakana fa efa voasokajy ho isan’ireo “Projet Hydraulique Prioritaire” ny SAHOFIKA, ary hatramin’ny faran’ny taona 2025 no handaminana ny pitsopitsony ara-taratasy sy ny fifanarahana. Naverimberina fa tsy mitsahatra ny fitondram-panjakana mitady vahaolana amin’ny olan’ny fahatapahan-jiro eto Madagasikara, izay isan’ny fitakian’ny tanora sy ny vahoaka nandritra ny tolona farany teo. Raha hiverenana, tamin’ny voalohany, ny consortium NEHO (Nouvelle Énergie Hydroélectrique de l’Onive) no nitondra ny tetikasa, ahitana orinasa iraisam-pirenena toa an’i Eiffage, Eranove, Themis ary Hydro Ingénierie. Nisy anefa olana lehibe nipoitra rehefa nangataka fiakarana 40% amin’ny vidin’ny asa fanorenana i Eiffage orinasa Frantsay, izay nolavin’ny fanjakana Malagasy teo aloha satria tsy mifanaraka amin’ny fifanarahana sy ny fiakarana voatondro tany am-boalohany izay 21% monja. Vokatr’izany, nesorina tamin’ny tetikasa i Eiffage ary nisy « appel d’offres » hanoloana azy. Nanjary nitarika fahatarana ny tetikasa izany, satria efa mihoatra ny enin-taona no tsy tanteraka ny fanombohana ny asa. Tamin’ity taona 2025, ny fanjakana Malagasy tamin’ny alalan’ny Fonds Souverain Malagasy dia niditra ho mpandray anjara lehibe ao amin’ny consortium NEHO, ka nahazo 49% amin’ny fandraisana anjara,… saingy mbola nihisatra. Andrasana izany izay tena fivoarana mikasika ity tetikasa ity izay efa 11 taona no niresahana azy ambony latabatra, saingy nihitsoka hatrany fanatanterahana ny asa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap