airtel

Actualités

05-nov-2021

Actualités

Humaniste Ecologiste “Tandindomin-doza indray ny firenena”

Sample post image

a izao dia tandindomin-doza indray ny firenena atsy ho atsy, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Humaniste Ecologiste tetsy amin’ny Restaurant Tsiky omaly.

05-nov-2021



Raha mitohy izao lalan’ny firenen Hita ho miverina ny taloha fa tsy andraisan’ny mpitondra lesona, hoy izy ireo. Manaitra ny olompirenena, ny mpitondra, ny mpisehatra politika, noho izany, izy ireo mba tsy hiverenana any amin’izany krizy tsy mety tapitra izany. Vao tsy ela izay ny banky iraisampirenena no niteny fa misy mahantra vaovao miisa 4 tapitrisa eto. Resaka fitantanana tsy mahomby no isan’ny mahatonga izany satria tsy mahalala ny tena filam-bahoaka ny mpitondra. Fitantanana mivangongo na “administration centralisé” no misy eto. Tsy mamaha ny olana any ifotony. Ohatra amin’izany ny resaka vy ao Soalala. Namarotra izany isika tamin’ny tetezamita dia nahazo ilay alalana hizaha ifotony azy io ny orinasa sinoa Wisko. 100 tapitrisa dolara no voalaza ofisialy fa namarotana azy. Raha mba ilay fotokevitra ijoroan’ny HE Mada hatramin’izay mikasika ny fahaleovantenan’ireo faritra izao no nampiharina dia mba misy depiote voafidy ao mahalala ny laharam-pahamehan’ilay faritra dia mba ny 70%n’ilay vola io, ohatra, mandeha ao amin’ny faritr’i Mahajanga. 30 tapitrisa dolara mankaty amin’ny fanjakana foibe. Raha mbola tsy miainga any ifotony ny fampandrosoana an’i Madagasikara dia tsy ho tafavoaka isika na ho 50 taona eto aza, hoy hatrany ny HE Mada, izay nanamafy fa hanana kandida amin’ireo fifidianana ifotony rehetra ho avy eo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap