an’i Afrika (IDDA III) ny Minisitra misahana ny Fampiroboroboana ny indostria Edgard Razafindravahy sy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Yvette Sylla Anatin’izao Fivoriambe faha-78 ho an’ny Firenena Mikambana izao no nanatanterahana tany New York ny Fihaonana an-tampony ho an’ny fampandrosoana ara-indostria an’i Afrika (IDDA III). Ity vaninandron’ny Zoma 22 Septambra 2023 ity no natokana ho amin’izany. Nivoitra fa mila maharaka ny fifaninanana anatin’ny fanatontolona ny tany afrikana. I Madagasikara manokana dia resy lahatra fa amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny indostria no hampandrosoana ny firenena. Manana ny Tetikasa ODOF (One District One Factory) ny MICC hampiroboroboana ny indostria eny ifotony. Eo koa ny tetikasa hafa toy ny Tetikasa fanodinana ara-indostria an’ireo voka-pambolena any Atsimo Andrefana (PTASO), ny Tetikasa fanohanana ny fampiroboroboana ny indostria sy ny sehatra ara-bola (PAISF) sy ny Faritra ara-toekarena manokana.
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny