airtel

Actualités

17-janv-2025

INJENIERA MALAGASY MIISA 3

Nahita fitaovana afaka mamokatra rano amin’ny alalan’ny rivotra

Sample post image

Mihamahazo vahana hatrany ny tsy fisian-drano eto amintsika. Antony hitadiavan’ireo mpanao

17-janv-2025

fikarohana vahaolana hatrany izany ka anisan’ireny i Tokiniaina Razanakolona sy i Sitraka Robison ary i Onja Mickael injeniera Malagasy. Nahita sy namokatra ilay fitaovana vita Malagasy antsoina hoe : Ozen izy ireo, afaka mamokatra rano madio 20 hatramin'ny 500 litatra isan'andro, avy amin'ny alalan'ny rivotra na "Générateur d'eau atmosphérique". Azo sotroina sy hampiasaina amin'ny fiainana andavanandro avy hatrany ny rano vokarin’io fitaovana io, raha araka ny fanadihadiana natao. Azo alefa amin'ny takelaka mpihary herinaratra 75 ihany koa izy ary maharitra hatramin'ny 10 taona eo ho eo. Nanampy azy 3 mianadahy tamin’ity famokarana fitaovana vaovao mba hamahana ny olan’ny rano eto amintsika ity ny injeniera Amerikana iray. Fantatra moa fa efa nahazoana brevet tany USPTO Etazonia ny Ozen ary voamarina fa mamokatra rano tsara kalitao ho an'ny rehetra izay nahazoana certificat GSC tany WQA Etazonia ihany koa. Nozahana sy nahazoana alalana ho azo ampiasaina amin'ny andavanandro, tany amin'ny IPM sy ACSSQDA Madagasikara ihany koa izy. Ny vidiny sisa araka izany no tsy fantatra na ho zakan’ny fahefa-mividin’ny besinimaro na tsia.
Nangonin’i Pati
Legende : Izy 3 mianadahy nanao ny fikarohana !

 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

ny miaramila sy tanora handoro toby mpihary herinaratra »

Card image cap
30-avril-2026

Tanora miisa 15 no indray

Card image cap
29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap