fikarohana vahaolana hatrany izany ka anisan’ireny i Tokiniaina Razanakolona sy i Sitraka Robison ary i Onja Mickael injeniera Malagasy. Nahita sy namokatra ilay fitaovana vita Malagasy antsoina hoe : Ozen izy ireo, afaka mamokatra rano madio 20 hatramin'ny 500 litatra isan'andro, avy amin'ny alalan'ny rivotra na "Générateur d'eau atmosphérique". Azo sotroina sy hampiasaina amin'ny fiainana andavanandro avy hatrany ny rano vokarin’io fitaovana io, raha araka ny fanadihadiana natao. Azo alefa amin'ny takelaka mpihary herinaratra 75 ihany koa izy ary maharitra hatramin'ny 10 taona eo ho eo. Nanampy azy 3 mianadahy tamin’ity famokarana fitaovana vaovao mba hamahana ny olan’ny rano eto amintsika ity ny injeniera Amerikana iray. Fantatra moa fa efa nahazoana brevet tany USPTO Etazonia ny Ozen ary voamarina fa mamokatra rano tsara kalitao ho an'ny rehetra izay nahazoana certificat GSC tany WQA Etazonia ihany koa. Nozahana sy nahazoana alalana ho azo ampiasaina amin'ny andavanandro, tany amin'ny IPM sy ACSSQDA Madagasikara ihany koa izy. Ny vidiny sisa araka izany no tsy fantatra na ho zakan’ny fahefa-mividin’ny besinimaro na tsia.
Nangonin’i Pati
Legende : Izy 3 mianadahy nanao ny fikarohana !
Tsy tomponandraikitra mivantana amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ny minisitry
Olona am-polony ny namoy ny ainy vokatry ny fahapoizana ara-tsakafo tamin’ny
Niamboho ny alahady 15 jona teo amin'ny faha 83 taonany i Pr Yvette Rabetafika,
Tsy nipetra-potsiny fa omaly ihany dia nidina ifotony teny Ambohimangakely,
Noraisina tetsy anivon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Anosy
Rehefa volana Jona tahaka izao dia tsy vitsy ireo te-hanatsara ny ao an-tokantranony ao.