airtel

Actualités

26-avril-2021

Actualités

Inspecteurs sy controleurs du travail Miandry ny fanadihadiana ataon’ny Bianco

Sample post image

Miandry ny valin’ny fanadihadiana hataon’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Bianco mikasika ny mbola

26-avril-2021

 

 

 

 tsy hisitrahan’ireo inspecteurs sy controleurs de travail ny tambin-karamany ireto farany hatreto. Na dia eo aza mantsy ny hamehana ara-pahasalamana dia mitohy hatrany ny fitokonana hantanterahin’ny Syndicat Autonome des inspecteurs du Travail sy ny Collectif des controleurs du travail. Mitaky ny tambin-karaman’izy ireo tsy voaloa nanomboka tamin’ny taona 2016 izy ireo raha tsiahivina ankoatra ny famoahana ilay sata manokana mifehy azy ireo izay voafaritry ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny asa laharana faha-81 sy 129 izay nankatoavin’i Madagasikara. Marihina moa fa ny didim-panjakana mikasika io tambin-karama io dia efa nahazoana ny sonian’ny mpitantana eo anivon’ny governemanta tamin’izany fotoana izany saingy tsy mba nahazoana laharana tamin’ny primatiora. Andrasana hatramin’izao izany raha araka ny fantatra satria ny sora-bola mifanaraka amin’izany dia efa voafaritra ao amin’ny tetibolan’ny Ministeran’ny misahana ny asa nanomboka tamin’ny taona 2016. Anisan’ny mampametra-panontaniana ny maro mikasika ity raharaha ity moa ny mety hahatafidirany ao anatin’ilay fanodikodinam-bola izay nambaran’ny gazety mpiseho isan’andro iray teto amintsika fa niseho teo anivon’ny Ministera mpiahy azy ireo. Efa dimy volana katroka moa izao no nitokonan’izy ireo izay efa narahin’izy ireo fitakiana ny amin’ny tokony hialan’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Ministeran’ny asa tsy mahavaha olana.

Pati

 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap