dia ireo mpiasam-panjakana misotro ronono na am-perin’asa manan-draharaha ao aminy ny Institut Pasteur de Madagascar na IPM. Tsy voaray amin’ny ankampobeny ireo fitiliana na raharaha ara-pitsaboan’ireo iantohan’ny Fanjakana tonga ao amin’ity laboratoara ity. «…Tsy manam-bola ny Fanjakana, kanefa vola tokony efa mipetraka. Be loatra ireo vola tsy voalohan’ny Fanjakana. Raha ohatra tsy alohan’ny Fanjakana, ny dikan’izany ve tsy efa naman’ny famonoana ireo olona ireo, ka tompon’andraikitra ny Fanjakana amin’ny mety ho fahavoazana mahazo ireo olona ireo, ary tena « crime » na heloka bevava », hoy Atoa Laurent Ramaroson mpiasam-panjakana misotro ronono sady mpanao politika ny herinandro lasa teo, tamin’ny haino aman-jery tsy miankina iray. Nomarihiny, fa tsy tokony hisy olana satria latsakemboka nandritra ny fotoana niasana, fa tsy vola foronina fa tokony ho efa ao. Tsy hoe : maimaimpoana noho izany ny fisitrahan’ireo mpiasam-panjakana na am-perin’asa na efa misotro ronono. « Raha hitaky izany izao ny fonksionera, ny zokiolona, hoeny an-dalambe hitaky hoe : avoahy dia hahetsika indray izany zandary hamono azy ireo, hitombo ny heloka bevavan’ny Fanjakana,… », hoy izy. Ny mpandraharaha nanao asa tamin’ny tsenam-panjakana tsy voaloa ny volany, ny orinasa nikojakoja làlana tsy nahazo ny volany, ny volan’ny Fonds Routier tokony hikojakojana làlana nanjavona na ratsy tantana, ny volan’ny Minisitera tsirairay nokantsanana mba hanentsenana 1036 miliara Ar amin’ny Jirama,… Inona intsony izany ny zavatra tena mandeha eto ? Marina fa fomba firesaka ny hoe : tsy misy Fanjakana banky ropitra izany, saingy ny sary miseho ankehitriny dia toa efa misy sarintsarin’izany, fa any amin’ny kisehoseho ivelany sy ny fandanindaniam-poana ihany no hahatarafana fa manam-bola ny Fanjakana. Any anaty famahana ny tombotsoam-bahoaka kosa dia tena miharihary fa tsy mahavaha olana sy miha kofona andro aman’alina.
Toky R
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny