airtel

Actualités

31-janv-2024

IPC 2023

Nihemotra i Madagasikara

Sample post image

Nihemotra i Madagasikara teo amin'ny tondro momba ny kolikoly ho an'ny taona 2023,

31-janv-2024

araka ny tatitra navoakan'ny Transparency International-Initiative Madagascar TI-IM omaly 30 janoary 2024. Tsy nahazo naoty afatsy 25/100 raha 26/100 ny taona 2022. Nihemotra ho laharana faha-145 amin'ny 180 raha faha-142 teo aloha. Isan'ny antony ny Fanjakana ratsy tantana, kiantranoantrano, tsy fampiharan-dalàna, ny dian-tanan'ny fahefana mpanatanteraka amin'ny fahefam-pitsarana, fanjakan'ny tsy maty manota, fampanantenana hiady amin’ny kolikoly am-bava fotsiny sy voafetra, fitotongananan’ny sehatra ifanabeazana sy ny zo fahalalahana fototra ka tafiditra amin’izany ny fanenjehana ireo mpampaneno lakolosy, tsy fandaniana ny lalàna mikasika ny fahafahana mahazo vaovao hositrahan’ny vahoaka, fitomboan’ny tranga mamoa-doza na « scandales » mahakasika tompon’andraikitra ara-politika,… Nisy ireo tolo-kevitra fanatsarana samihafa avy amin’ny Transparency International mba hiadiana amin’ny tsy maty manota sy ny kolikoly, hametrahana ny rariny sy hanamafisana ny fanjakana tan-dalàna. «Misy ny tsy maty manota, fampiasana ny fitsarana ho fitaovana ho fanenjehana ara-politika, tsy fahampian’ny tetibolam-panjakana atontona amin’ny ady amin’ny kolikoly, mbola tsy tomombana ny fanarahana ny teny nomena eo amin’ny iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny fanasoniavana ny fifanarahana toy ny fifanarahan’ny Firenena Mikambana momba ny kolikoly », hoy Rtoa Ketakandriana Rafitoson Sekretera mpanatanteraky ny TI-IM. Isan’ny voarakitry ny antontan-kevitra navoakan’izy ireo nandritra ny fanambarana ny tondro momba ny kolikoly omaly io ny famporisihana ny governemanta hanome fahaleovantena an’ireo rafitra ara-pitsarana, ny fanomezana ny hoenti-manana sy fangaraharana mba ho fanasaziana ireo mpanao kolikoly, ary miantonka ny fanaraha-maso ny mety ho tsindry avy amin’ny Fanjakana. Raha ilaina dia tokony hampidirina ihany koa ny fametrahana ireo dingana samihafa sy lalàna hanampiana ireo rafitra ara-pitsarana mba hiarovana azy sy hanatrarana ireo trangana kolikoly. Isan’ny mandetika ny firenena sy mampikorosy fahana ny sehatra maro ny kolikoly, ny Fanjakana tsy tsara tantana, ny Fanjakana tsy tan-dalàna,… ka isan’ny mampilentika an’i Madagasikara tahaka izao. Mason-tsivana jeren’ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika, ny mpampiasa vola, ny mpandraharaha vahiny,… ny resaka kolikoly sy Fanjakana tsara tantana, mba hananany antoka amin’ny fampiasam-bolany. Mbola lavitry ny kitay anefa ny afo hatreto.
Toky R
Saey indrana

 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Nitombo 12% tamin’ny volana aprily teo raha oharina ny tamin'ny volana aprily 2023 ny mpizahatany

Card image cap
17-mai-2024

Taorian’ny Minisitry ny filaminana anatiny herinandro latsaka izay nidina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato,

Card image cap
17-mai-2024

Vehivavy iray tombanana ho 30 taona eo ho eo no hita faty tao Fitroafana Talatamaty,

Card image cap
17-mai-2024

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 16 mey tetikasa telo vaovao eo amin'ny sehatry ny tontolo iainana,

Card image cap
16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap