airtel

Actualités

24-juil-2023

Actualités

Iray volana mialohan’ny lalaon’ny Nosy

Sample post image

Mitsikafona ny petatoko sy ny tandrametaka

24-juil-2023

Iray volana sisa dia higadona ny fotoana hanatanterahana ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11 eto Madagasikara, izay hatao ny 25 aogositra-03 septambra ho avy izao. Betsaka ny ahiahy sy ny adihevitra momba ny kitoatoa sy ny faharatsian’ny fanomanana, ary na ireo firenena vahiny mpandray anjara aza nisy nitondra fanakianana, indrindra fa taorian’ny nanafoanana ny taranja sasany. Ankehitriny, na milaza aza ny Fanjakana fa mandeha tsy misy tomika ny fanomanana, dia betsaka ny fambara manaporofo ny kitoatoa. Ohatra maromaro no manaporofo an’io. Ny nilazana tany am-boalohany fa hanaovana ny Lalaon’ny Nosy any amin’ny Tanamasoandro sy nampanantenana fotodrafitrasa maro aloha dia efa endriky ny petatoko sy fampanantenana poakaty ary tsy fahaiza-mitantana ; ny tsy nisian’ny tanànan’ny lalao izay isan’ny làlan-tsain’ny lalaon’ny Nosy dia efa fihemorana,… Ny pitsopitsony maro feno kisampontsampona sy tsy fahatomombanana. Ny an’olona manomana Lalaon’ny Nosy izany tena an-taonany fa ny antsika dia eeeee ! Ny 19 may, nisy ny lanonana nipoapoaka nanaovana ny fampahafantarana amin'ny fomba ofisialy ny sary famantarana sy ny hira fanevan'ny Lalaon'ny Nosy 2023. Niteraka adihevitra sy kiana mivaivay ny petatoko tao anatin’izany, toy ilay hira faneva izay tena betsaka ny fahasamponana tao anatin’ny raki-tsariny. Taiza no nisy hoe: ny tonony “Masoandro miposaka avy any any Antsinanana”, dia ny sary mivoaka “Masoandro milentika any amin’ny tapany andrefan’I Madagasikara miaraka amin’ny baobab”? Lefy teo ilay hira faneva, ka nasiana fanavaozana tanteraka, naverina ny “tournage”, izay midika avy hatrany hoe: kitoatoa ny teo aloha. Ny Filoham-pirenena izy tenany mihitsy anefa no nilaza fa tena misy dian-tànany iny hira faneva iny. Ny 16 jolay teo, nilaza indray I Andry Rajoelina fa “Ho vita, araka ny tokony ho izy, ny lalaon'ny Nosy hatao eto Madagasikara. Hatao avo folo heny mihoatra amin'ny tao Maorisy ny hatsaran'ny fandraisana sy fikarakarana rehetra”. Tsy niandry ela, fa tamin’ny herinandro lasa teo, nanambara indray ireo Federasionina rehetra miantsoroka ny taranja hifaninanana fa mamitaka ny Filoham-pirenena ny Minisitry ny Tanora sy Fanatajahantena raha milaza fa mandeha araky ny tokony ho izy ny fampivondronana sy fikarakarana ireo atleta Malagasy izay hiatrika ny lalaon'ny Nosy amin'ny volana aogositra, hoy ireo Federasionina. Notsindrin'izy ireo fa tsy ara-dalàna na ny sakafo na ny toerana hanaovan'izy ireo fampivondronana. Nahazo medaly 235 isika tamin’ny 2007 ka 100 ny volamena, 79 volafotsy, 74 alimo ka tokony handresy an’ireo amin’ity 2023 ity. Ny olona mantsy rehefa manomana lalaon’ny Nosy tena an-taonany fa ny an’ity Fitondrana ity tena miharihary ny tandrametaka. Tsy maniry ratsy ho an’ny firenena sy ny ekipam-pirenena fa mahakely finoana ny hahazoana vokatra tsara kokoa noho ny tany aloha raha izao zava-miseho izao, raha tsy hoe: hisy angaha ny fahagagana!
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap