airtel

Actualités

23-juin-2023

Actualités

Iray volan’ny ankizy Nanentana momba ny fanjarian-tsakafo ny Ministeran’ny mponina

Sample post image

Mbola betsaka ireo ankizy tsy misakafo ara-dalàna amin’izao. Mitombo isa mihitsy izy ireny noho ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny.

23-juin-2023

Indray mandeha isan’andro sisa no mahita izany ny sasany, nefa tena zon’ny ankizy feno ny hisakafo ara-dalana, hianatra, hotsaboina raha maharary….Izany indrindra no antony nanaovan’ny Ministeran’ny mponina sy ny ofisim-pirenena miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo hetsika teny amin’ny kianja manara-penitra Mahitsy. Niompana tamin'ny fanentanana momba ny fanjarian-tsakafo sy ny fahasalaman'ny ankizy ny hetsika narahina kilalao maro isan-karazany. Nitarika ny fotoana, nisolo tena ny Minisitry ny Mponina Soafilira Princia, ny Tale Jeneralin'ny Mponina Rakotondrainibe Andry. Loha-hevitra nitondrana ny hetsika moa ny hoe : "Antoky ny ho avy mamiratry ny ankizy, ny anio". Mbola tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny iray volan’ny ankizy hankalazaina amin’ity volana Jona ity avokoa izany rehetra izany.
Pati
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap