airtel

Actualités

28-oct-2022

Actualités

IVATO Saika hamidy 30.000 Ar ny sokatra iray

Sample post image

Olona roa no tratra ny Borigadin'ny Zandarimariam-pirenena eny Talatamaty nivarotra an-tsokosoko sokatra miisa 10 teny Ivato omaly ka saika hamidy 30. 000 Ariary ny iray amin’izany.

28-oct-2022

Nitety tokantrano izy ireo no sady kaodikaody nandritra izany, olona tombanana fa avy any amin’ny faritra na koa nanafatra ireto sokatra ireto fotsiny mba havadiny ho vola. Nosamborina avy hatrany izy nandritra izany ary natao famotorana. Hatramin’ny omaly moa dia fantatra fa nomen’ireo zandary salady ny sokatra mba ho salama raha omeny mangahazo kosa izy roalahy aorian’ny fakana am-bavany azy sy ny fahatongavany eny amin’ny fonjaben’Antanimora. Ankoatra ny fandoroana ala moa dia mbola hangalarin’ny sasany ho amidy ihany koa ireo biby tsy manan-tsiny efa an-dalam-paharinganana eto amintsika ka anisan’ireny ny sokatra. Misy amin’izy ireny no hataon’ireo hotely sasany laoka sy masikita mihitsy mba hamalifaliana ireo mpanjifany.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana sy ireo sokatra nangalariny !
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap