airtel

Actualités

08-mai-2023

Actualités

Ivon-toeram-panovanana CEDS Hatao any Toamasina ny «Université Lohataona» amin’ity

Sample post image

Hotanterahina any amin’ny SPAT Toamasina ny 19 may 2023 izao ny karazana fikaonandoha na « forum » isan-taona na ny « Université lohataona »

08-mai-2023

eo anivon’ny CEDS (Centre d'Etudes Diplomatiques et Stratégique). Miara-misalahy ireo andiany faha-19 izay misalotra ny anarana Samuel Rakotobe. Mpandraharaha Malagasy goavana sy nanana ny tamin’ny vanim-potoanan’ny fanjanahantany moa I Samuel Rakotobe, namatsy ara-bola ny JINY sy ny MDRM tamin’ny tolom-piavotana. Amin’ity indray mitoraka ity, lohavehitra noraisin’ny CEDS mandritra io fotoan-dehibe any Toamasina io ny hoe: "L'Etat de Droit, la Territorialité et la Responsabilité des Elites Malagasy pour les générations futures", izay hifantoka amin’ny Fanjakana tan-dalàna, ny lafin-tany, ary ny fandraisan’andraikitr’ireo manam-pahaizana Malagasy ho an’ny taranaka fara aman-dimby, raha adika tsotsotra. Handray anjara amin’io ireo manam-pahaizana samihafa, olobe manana ny maha izy azy, olo-manan-kaja sy ara-panjakana samihafa, fa indrindra ireo maintimolalin’ny CEDS sy ireo mpikatroka ankehitriny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap