Ankoatra ireo efa hita mangataka etsy sy eroa dia tsy lazaina intsony ireo tsy mba mandray vola fisotroan-dronono hany ka miharitra hanohanana sy aretina mandavan-taona eny. Ho fanampiana azy ireny indrindra no antom-pisian’ny ivon-toerana tsy miankina My Sunset etsy Fenoarivo Ambaniavaratra, distrikan’Atsimondrano. Niasa nanomboka afak’omaly Alarobia 19 Martsa izy ireo nandray ireo zokiolona teny an-toerana. Nomena ody ambavafo sy sakafo atoandro ireo zokiolona am-polony tonga tao an-toerana. Noraisin’ny dokotera Fidolin sy Rasazy Fanilo ihany koa izy ireo taorian’izay nijerena sy nanaraha-maso ny toe-pahasalamany. Fantatra nandritra izany fa saika manana tosi-dra avo avokoa ireo zokiolona latsaky ny 40 Kg rehetra vokatry ny adin-tsaina ateraky ny fahasahiranana. Hitohy amin’ny Alarobia 26 Martsa ho avy izao ny hetsika ka hisy mihitsy ny Fikambanan’ny dokotera ho avy ao amin’ny My Sunset izay hizara sy hanome fanafody maimaim-poana azy ireo miankina amin’ny aretiny. Tsiahivina moa fa maimaim-poana avokoa izany rehetra izany.
Pati
Legende : Nozahana fahasalamana maimaimpoana ireo zokiolona no sady notolorana ny sakafo sahaza azy avy !
Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,
Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly
Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana
An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.
Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,