airtel

Actualités

21-mars-2025

IVON-TOERANA MY SUNSET

Mampisakafo sy mitsabo maimaimpoana ny zokiolona

Sample post image

Tena sahirana ny ankamaroan’ireo zokiolona eto amintsika.

21-mars-2025

Ankoatra ireo efa hita mangataka etsy sy eroa dia tsy lazaina intsony ireo tsy mba mandray vola fisotroan-dronono hany ka miharitra hanohanana sy aretina mandavan-taona eny. Ho fanampiana azy ireny indrindra no antom-pisian’ny ivon-toerana tsy miankina My Sunset etsy Fenoarivo Ambaniavaratra, distrikan’Atsimondrano. Niasa nanomboka afak’omaly Alarobia 19 Martsa izy ireo nandray ireo zokiolona teny an-toerana. Nomena ody ambavafo sy sakafo atoandro ireo zokiolona am-polony tonga tao an-toerana. Noraisin’ny dokotera Fidolin sy Rasazy Fanilo ihany koa izy ireo taorian’izay nijerena sy nanaraha-maso ny toe-pahasalamany. Fantatra nandritra izany fa saika manana tosi-dra avo avokoa ireo zokiolona latsaky ny 40 Kg rehetra vokatry ny adin-tsaina ateraky ny fahasahiranana. Hitohy amin’ny Alarobia 26 Martsa ho avy izao ny hetsika ka hisy mihitsy ny Fikambanan’ny dokotera ho avy ao amin’ny My Sunset izay hizara sy hanome fanafody maimaim-poana azy ireo miankina amin’ny aretiny. Tsiahivina moa fa maimaim-poana avokoa izany rehetra izany.
Pati
Legende : Nozahana fahasalamana maimaimpoana ireo zokiolona no sady notolorana ny sakafo sahaza azy avy !


 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

ady amin'ny kolikoly ny mpiasa

Card image cap
06-mars-2026

Miverina amin’ny laoniny ny tolona,

Card image cap
06-mars-2026

Niverina ofisialy ny fitrandrahana,

Card image cap
06-mars-2026

natokana ho an’ny sosialy na RSE

Card image cap
06-mars-2026

8 taona sisa navelan’ny voay

Card image cap
06-mars-2026

Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona

Card image cap