airtel

Actualités

29-avril-2024

Jaonary

Sendikan’ny mpiasan’ny angovo sy rano Malagasy

Sample post image

Tanjona ny ialan’ny malagasy amin’izao toe-draharaha izao»

29-avril-2024

Nampahafantarina ny sabotsy teo tetsy Anjanahary ny fijoroana ara-panjakan’ny SMARM na Sendikan’ny mpiasan’ny angovo sy rano malagasy. Ao Ambohitrarahaba, hoy ny sekretera nasionalin’izy ireo, Miary Andriamampionona, no foiben-toeran’ny sendika fa voninahitra ho anay ny mampahafantatra izany eto amin’ny foiben’ny FISEMARE izay zokibe nanaiky ny hikopahanay elatra. Isaoranay manokana ny FISEMARE nanome izao toerana izao ka mino izahay fa tavan-drahalahy mandranitra tavan-drahalahy hanamafy ny fiaraha-miombon’antoka izao, hoy izy. Natao hivondronan’ny mpiasa tsy miankina misehatra amin’ny angovo sy rano rehetra ny SMARM, eny, na ireo mpiasa tena aza. Tsy adino koa ireo efa nisotro ronono. Tsy sanatria fitiavana te hampitombo isa fotsiny ny fianakaviambe sendikaly izao fa noho ny fahatsapana fa mbola maro dia maro ny asa tokony atao eo anivon’ny sehatry ny angovo sy rano. Mbola lavitra ny lalina. Tsy fotoanan’ny fanomezan-tsiny nefa izao na sanatria ifanenjehana fa fotoanan’ny fifoazana sy fijoroana kosa ary fotoanan’ny asa fanarenana ny raharaha sendikaly mba ho tena ampinga fiarovana ny mpiasa malagasy tokoa. Manana soatoavina arahana ny SMARM dia ny hoe «Fahalalana, fahasahiana, fahaleovantena». Fahalalana satria tapitra hatreo ny fanaovanaovam-poana sy tsy am-piheverana ary tsy am-pahamatorana. Fahasahiana satria na mahay sy mahalala aza nefa tsy sahy sedra dia zava-poana ihany. Fahaleovantena satria raha voageja amin’ny lafiny maro dia tsy azo antenaina mihitsy hahavita zavatra, hoy hatrany ny fampahafantarana. Rehefa miteny angovo isika dia ohatran’ny alaim-panahy hiheritreritra hatrany fa JIRAMA izany, hoy kosa ny mpanolontsain’ny SMARM, Fils Razafintsalama. Raha ny tatitra nomen’ny WWF sy ny minisiteran’ny angovo sy ny rano ny taona 2022, hoy izy, dia 92% amin’ny angovo no avy amin’ny atao hoe «bois énergie». 7% no avy amin’ny akoran’afo. 1% monja no herinaratra. Miisa 6000 any izao no mpiasan’ny JIRAMA fa tsy mpiasan’ny JIRAMA irery no misehatra amin’ny angovo. Tsapanay fa tsy voaresaka loatra eto ny mpiasa tena ary tsy mbola mivelatra ny atao hoe sendikan’ny indostria na «syndicat d’industrie» fa sendikan’ny mpiasa na «syndicat des métiers» no betsaka. Ny sendika misehatra amin’ny lamba izao tokony hivondrona. Tokony hisy rafitra misahana izany. Andry lehibe eto amin’ny firenena ny angovo. Tokony arovana sy omen-kasina ny mpiasa amin’ireo. Misy ny asa atomotra ezaka, antonony ezaka, lavitra ezaka mila atao hamahana ny olana misy. Misy zavatra iray mampiroiroy saina be ny malagasy ihany amin’ilay mpisehatra iray ngezabe amin’ny angovo io orinasana lehibe amin’ny indostria antsika malagasy io. Fantantsika izany. Misy hahamehana foana raha vao io orinasa io no tenenina. Ny mpiasa no ifantohanay. Matoa vanona io sehatra io dia ilay mpiasa aloha. Misy mpiasa ao, misy fahaiza-manao, misy manao ny ainy tsy ho zavatra. Aorian’izay vao mandeha ny rafitra isan-tsokajiny ka raha ireny rafitra ireny no manery ny mpiasa tsy hamoaka ny tsara avy aminy dia zava-poana. Raha manao fampitahana amin’ny orinasa manao asam-bahoaka any ivelany isika dia hafa mihitsy ny an-drizareo ny fiarovana. Tsy hiteny afa-tsy ny GDF sy EDF isika, ohatra. Hafa mihitsy ny lalàna sy fepetra mifehy an’io dia maninona moa no tsy vitantsika eto nefa asam-bahoaka izany azo ambara ho asam-panjakana? Tanjona ny ialan’ny malagasy amin’izao toe-draharaha izao ho any amin’ny tsaratsara kokoa, hoy hatrany ny SMARM.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap