airtel

Actualités

23-nov-2022

Actualités

Jean Nirina Rafanomezantsoa “Aza potehina ny tanora nama a !”

Sample post image

Tsy raikitra moa ny baolina ny alahady teo, hoy ny filohan’ny Hafari malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa, naneho ny alahelony noho ny fanakanana ny fitokanana ny kianja Surprise Anosizato.

23-nov-2022

Mazava, hoy izy. Anaty boriboritany faha 4 no misy anay ary misy solombavambahoakan’ny boriboritany faha 4 no tsy faly aminay. Na miditra ao amin’ny kianja aza moa tsy avela intsony izahay fa hoe mana-tompo ny tany. Hamafisiko hatrany fa tafiditra anaty reniranon’Ikopa ny sata misy ny tany. Rehefa miakatra ny rano dia tafakatra 3 na 4 metatra ny haavony tonga eny amin’ny kianja, izany hoe mandifotr’olona. Tsy azon’iza na iza hanorenana io. Ny tiako tenenina dia fitiavana tsy misy takalony no napetrako tao ary tsy manana eritreritra hanao politika aho ka hanakorontana firenena. Aza potehina ny tanora! Na iza na iza, na oviana na oviana, tsy tokony hisy afaka hanorina anatin’io kianja io satria miaro ny lemak’Antananarivo io. Rehefa mba maina kosa ny tany dia tokony mba afaka milalao ao ny rehetra. Resaka gafy politika io ary mahagaga ihany hoe renirano ve hisy hivarotra? Izahay moa izany efa nanapa-kevitra ny hamindra ilay lalao saika natao teo amina kianja hafa saingy na izany aza dia maniry ny mba hanomezana io kianja ion y tanora. Tsy tokony azo hanorenana eo, hoy hatrany ny tenany !
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny

Card image cap
16-mai-2025

Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny

Card image cap
16-mai-2025

Nankalazaina omaly ny Andro afrikanina momba ny fomban-drazana na

Card image cap
16-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manohitra ny tetikasa Base Toliara ireo mponina any an-toerana,

Card image cap
16-mai-2025

Zazavavy kely miisa 7, manodidina ny 3 hatramin'ny 14 taona,

Card image cap
16-mai-2025

Mitady ny fomba rehetra mba hahazoany vola mihitsy ny mpisoloky amin’izao.

Card image cap