police économique» Anosy aho anio 6 janoary 2026, hoy ny sefo fokontanin’Anosizato Atsinanana I, Jean Nirina Rafanomezantsoa, araka ny ST na tatitra nataon'ny PAC na sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly, hoy izy, dia noho ny fitoriana ramatoa iray ho nanao kolikoly sy tsy nanantanteraka didim-pitsarana no antony. Namaly ny antso avy hatrany aho ary niatrika fanadihadiana, izay nataon’ny mpanao famotorana am-panajàna sy mendrika ho deraina ary nahafahako nametraka ny porofo rehetra. Ny zava-nisy ny 26 septambra 2024 dia nitondra didim-pitsaràna ity ramatoa mpitory ity ary resaka fandresena sy fandravana trano no tao anatiny. Rehefa vita ny fandrefesana dia voafaritra ny trano harodana. Indrisy fa nohararaotin'ity ramatoa ity Indray ilay didim-pitsaràna hamefena lalam-bahoaka sy fokonolona. Tsy voaantso akory niakatra fitsaràna nefa dia tampenana ny lalana misy tokantrano miisa 100 mahery. Tezitra ny fokonolona ka raikitra ny gidragidra. Araka izany dia niantso ny lehibeko aho, ny lehiben’ny distrika. Tsy ela fa vetivety, tonga ny lehiben’ny distrika. Tonga ny «commissariat central» na ny sampan-draharahan’ny mpitandro filaminana. Tonga ny kaomisera ao amin’ny boriboritany faha 5 ary ny avy ao amin'ny kaominin’Antananarivo renivohitra. Ireto farany, rehefa nijery didim-pitsaràna, dia nahita hoe tsy misy famefena sy tsy misy idiran'ny fokonolona ilay didy ka tsy azo tampenana ny lalam-bahoaka. Taorian'izay dia nitory tao amin’ny fitsaràna Anosy ity ramatoa ity noho ny hoe tsy nanantanteraka didy. Nivaly ny fitsaràna ary afaka madiodio ireo notoriany. Izao ndray mitovy amin'io ihany. Mitovy ny fiampangàna. Mitovy ny olona toriany. Mitovy ny daty nisehoany dia nametraka fitoriana mitovy indray izy fa nampiany fotsiny hoe nanao kolikoly. Ny heritreriny izany dia hoe tsy misy dikany ny fitsaràna tetsy Anosy sy didim-pitsaràna izay navoakany fa navadiny etsy amin’ny PAC indray ary hanaovan'ny «police économique» na polisy misahana ny toekarena fanadihadiana vaovao. Ny tenako manokana dia hitory ity ramatoa ity fa manala baraka ahy ary tsy rariny. Tsy misy resaka politika ilay raharaha fa ny rehetra dia afaka mitory ary tsy izay rehetra mitory ihany koa dia manana ny marina, hoy hatrany ny tenany.
Nangonin’i J. Mirija
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»