toeran'ny tafika ao anatin'ny fiandrihanam-pirenena ny tenako no mipatrapatraka ny tranga samihafa teo amin'ny lafin'ny politika teto amin'ny firenena. Eo am-panomanana ny fifidianana filohan'ny repoblika amin'ny volana novambra sy desambra 2023 isika izao. Betsaka ny zavatra afaka resahina saingy lafin-javatra iray loha ihany no ho raisiko dia mikasika ny filatsahan'ny filoha Andry Rajoelina izay mialokaloka am-pilaminana miaraka amin'ny vady aman-janany amin'izao fotoana izao any Frantsa”, hoy ny manamboninahitra efa misotro ronono Jeneraly Rakotomanga mijoro eo anatrehan’ny toe-draharaham-pirenena. Eo anoloan'izany, nahitsy izy nilaza fa mahatsiravina ny fahasahiranana sy ny korontana miseho eto Madagasikara vokatry ny fahazoan'ny filoha teo aloha handray anjara indray amin'ny fifidianana ary miandry fotsiny ny fiverenany sy ny filazana tsy misy ankolaka fa tsy maintsy miverina eo amin'ny fitondrana izy ary tsy misy intsony ny olana mikasika ny fizakany ny zo-pirenena frantsay navoakan'ny “journal officiel” frantsay tamin'ny 21 novambra 2014. “Tsy hidirako intsony ny lafin'ny lalàna hifandroritana ohatran'ny siligaoma ataon'ny mpanohitra ny fitondrana andaniny sy ny governemanta vonjy maika napetraky ny HCC sy ny vaomiera mahaleo tena mpikarakara fifidianana na ny CENI ankilany fa ho raisiko fotsiny amin'ny fomba fijerin'ny vahoaka izany tranga saro-bahana izany ary ampahatsiahiviko fa efa tafaverina eo anivon'ny vahoaka ny tenako hatramin'ny naha “retraite” ahy tamin'ny 1994. Tsy hidirako ihany koa ny filazana fa misy krizy na tsy misy krizy politika eto Madagasikara. Tsara jerena ao amin'ny rakibolana ny tena dikąn'ny krizy, ary tsy anjarako ny manazava izany. Ho famaranana dia sary indray mipika ihany no havoitrako. Tsaroantsika ny filazana nataon'ny Président Emmanuel Macron fa "ny Colonisation hoy izy dia “crime contre I'humanité". Ho fampiharana izany dia nihazakazaka nankany Frantsa Andrimațoa Andry Rajoelina tamin'ny 2020 niresaka taminy tany amin'ny lapan'i Elysée, tsy nisy ny famelarana karipetra menamena tamin'ny fahatongavany. Nilaza i Andry Rajoelina tamin'ny fiverenany avy any fa averina amin'l Madagasikara ny Nosy efatra atao hoe îles Eparses amin'ny fitsingerenan'ny fiverenan'ny fahaleovan-tenan-tsika tamin'ny 26 jona 2020. Dia nitohy ihany ny tantara. Poak'aty ilay fampanantenana ary nandihizan'ny président Frantsay Emmanuel Macron tany amin'ny les Glorieuses raha nipetraka tany ny fiara manidina nitondra azy "lci c'est la France" hoy ny hikany. Nangina tsy nivolana ny filoha Andry Rajoelina ary dia mitohy ny fahanginana”, hoy io manamboninahitra misotro ronono io. Atao akory moa, hoy izy, fa tsy amin'ny 26 jona intsony no mety hifampiarahaba amin'ny asaramanitra ny Malagasy satria efa niditra tsy nisy fisalasalana intsony any amin'ny firenena nanjanaka taloha ny mpitondra faratampony an'i Madagasikara ka niverina any amin'ny Fête Nationale dia ny 14 jolay Frantsay ny 26 jona. Nilaza ny tenany, fa andraikilry ny Filohan'ny Repoblika ihany koa ny manampy ny Malagasy fa tsy ny fampisarasarahana amin'ny alalan'ny fanontanian'ny safidin'ny Malagasy manontolo (reférendum). Ao anatin'ny lalampanorenanana koa izany ary na dia izy irery ihany aza no mitsara tena fa tsy handray anjara amin'ny fifidianana intsony dia ampy tanteraka amin'ny famerenana ny filaminana amin'izao fotoana izao ary hanao fifidianana am-pilaminana amin'izay ny Malagasy amin'ny novambra sy desambra ho avy izao, hoy hatrany ny Jeneraly Rakotomanga Mijoro.
Toky R
Sary fanehoana
Nanentana manokana ny tanora izay maro an’isa eto amin’ny Firenena sy antoky ny ho avy mba tsy ho kivy ary
Nosembanin-drahona indray ny tontolon’ny fizahantany ! Nofoanana ny fiantsonan’ny sambo goavana na paquebot
Fantatra tsara ny fahorian’ny mponin’Andravoahangy syny manodidina noho ny rano be isaky ny avy ora.
Maro ireo mpanara-baovao no tsy nanampo fa mbola hisy rotsak’orana ihany teto Antananarivo renivohitra ny 3 desambra teo.
Hita tao anaty rano teny Namontana afak’omaly Talata 03 Desambra toerana nahaverezany ihany ny vatana
Ankizy miisa 200 no indray notolorana kopia mari-pahaterahana omaly Alarobia 04 Desambra tao amin’ny Kaominina