airtel

Actualités

16-déc-2024

Jeneraly Ramakavelo

« Tokony hijoro ireo mpahay lalàna sy foloalindahy »

Sample post image

Tokony hijoro hiteny manoloana ny fandikan-dalàna misy ankehitriny ireo mpahay lalàna eto amin’ny firenena,

16-déc-2024

hoy ny fanehoan-kevitry minisitry ny foloalindahy teo aloha Jeneraly Ramakavelo Désiré, notaterin’ny fampahalalam-baovao iray ny faran’ny herinandro teo. "Sahia isika olom-pirenena miteny manoloana ireo zavatra tsy mety eto amin'ny firenena ", hoy izy. Nambarany fa ararotina amin’ny tsy fahalalany ny vahoaka raha ny zavatra misy ka ireo manam-pahaizana no afaka hampafantatra ny marina. Sahia ihany koa isika olom-pirenena miteny manoloana ny tsy mety, hoy hatrany ity manamboninahitra ity. Mila mijoro ihany koa ny foloalindahy manoloana izao fandikan-dalàna izao satria hoan’ny tanindrazana izy ireo, vahoaka ilay tanindrazana eto, hoy i Jeneraly Ramakavelo. Ankoatra io, dia nisy ihany koa moa ny fanehoan-kevitra nataony izay nametra-panontaniana hoe : mbola misy hoavy antenaina ve izao? Tany manankarena, firenena niangaran'Andriamanitra, kanefa vahoaka fadiranovana, vahoaka mahantra, tambazana varimasaka, tambazana izao sy izao dia iny tokoa fa miroboka. Mampalahelo, hoy izy, ny mahita azy sanatrian'ny vava ohatr'ireny olona hoentina hovonoina eny amin'ny "abbatoir" ireny ny olona, dia mandeha tokoa ireto omby be dia be tsy mahalala akory hoe hoentina eny amin'ny "abbatoir" ho vonoina anie. Tena mipetraka ny fanontaniana, mbola misy hoavy hantenaina ve izao? hoy izy. Repoblika 4 no efa nolalovako, hafa mihitsy ny fiainana tamin'izany, afaka manao fampitaha tsara hoe nanahoana ny fiainan'ny Malagasy tamin'ny repoblika voalohany, faharoa, fahatelo ary nanao ahoana tamin' ity fahaefatra ity. Eto angamba tsy misy hoe fanosoram-potaka na fanenjehana na fanaratsiana fa ny niainako sy ny niainanao dia izay no bainga voavadika, bainga inona ilay voavadika tao anatin'ity repoblika faha efatra ity? Hoy hatrany ny Jeneraly Ramakavelo.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap