hoy ny fanehoan-kevitry minisitry ny foloalindahy teo aloha Jeneraly Ramakavelo Désiré, notaterin’ny fampahalalam-baovao iray ny faran’ny herinandro teo. "Sahia isika olom-pirenena miteny manoloana ireo zavatra tsy mety eto amin'ny firenena ", hoy izy. Nambarany fa ararotina amin’ny tsy fahalalany ny vahoaka raha ny zavatra misy ka ireo manam-pahaizana no afaka hampafantatra ny marina. Sahia ihany koa isika olom-pirenena miteny manoloana ny tsy mety, hoy hatrany ity manamboninahitra ity. Mila mijoro ihany koa ny foloalindahy manoloana izao fandikan-dalàna izao satria hoan’ny tanindrazana izy ireo, vahoaka ilay tanindrazana eto, hoy i Jeneraly Ramakavelo. Ankoatra io, dia nisy ihany koa moa ny fanehoan-kevitra nataony izay nametra-panontaniana hoe : mbola misy hoavy antenaina ve izao? Tany manankarena, firenena niangaran'Andriamanitra, kanefa vahoaka fadiranovana, vahoaka mahantra, tambazana varimasaka, tambazana izao sy izao dia iny tokoa fa miroboka. Mampalahelo, hoy izy, ny mahita azy sanatrian'ny vava ohatr'ireny olona hoentina hovonoina eny amin'ny "abbatoir" ireny ny olona, dia mandeha tokoa ireto omby be dia be tsy mahalala akory hoe hoentina eny amin'ny "abbatoir" ho vonoina anie. Tena mipetraka ny fanontaniana, mbola misy hoavy hantenaina ve izao? hoy izy. Repoblika 4 no efa nolalovako, hafa mihitsy ny fiainana tamin'izany, afaka manao fampitaha tsara hoe nanahoana ny fiainan'ny Malagasy tamin'ny repoblika voalohany, faharoa, fahatelo ary nanao ahoana tamin' ity fahaefatra ity. Eto angamba tsy misy hoe fanosoram-potaka na fanenjehana na fanaratsiana fa ny niainako sy ny niainanao dia izay no bainga voavadika, bainga inona ilay voavadika tao anatin'ity repoblika faha efatra ity? Hoy hatrany ny Jeneraly Ramakavelo.
Toky R
Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.
Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :
Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra
Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona
Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana
Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira