ihany ny Jeneraly misotro ronono Ravalomanana Richard ny marainan'ny sabotsy 27 desambra 2025 teo. Niditra an-tsehatra nifampiresaka taminy teny amin'ny toeram-ponenany teo Ambatovinaky ny Minisitry ny Fitsarana Fanirisoa Ernaivo ny sabotsy tokony ho tamin'ny 10ora sy sasany, ary nivoaka tokony ho antsasakadiny ny roa tonta, nanaiky hiazo ny Toby Ratsimandrava ity Filohan'ny Antenimierandoholona teo aloha ity. Azo lazaina ho voasambotra izany ny tenany na teo aza ny fandrangarangana hery hanohitra. Izy izay marihina fa nahazo fampanantsoana ny 24 desambra 2025 ka "atteinte à la sûreté intérieur de l'Etat" na fanohintohinana ny filaminana anatin'ny Firenena no antony. Nanomboka teo no nisy ireo mpitandro ny filaminana tonga teny amin'ny tranony, saingy nilaza fa hiaro tena sy vonon-ko faty ny tenany ary efa namoaka basy. Nanaiky mora anefa izy ny sabotsy teo, ary nanipika ny manampahefana fa tao anatin'ny fanarahan-dalàna sy lalàmpanorenana tanteraka ny fiantsoana sy fanadihadiana azy.
HENJANA NY VESATRA
Tsy niandry ela fa ny androtr'io sabotsy ihany dia efa nitondra fanazavana ny manampahefana tamin'ny alalan'ny Tonia mpampanoa lalàna ambony Razafindralambo Didier Alban sy ny Directeur de la Police Judiciaire eo anivon'ny Ministera Delegen'ny Zandarimariam-pirenena. Kolonely Lys Odon Randriamidona. Notsiahivina fa ny Fitsarana Ambony na ny HCJ no mandray ny raharaha mahakasika ireo Filohana andrim-panjakana, saingy araka ny andininy faha-134 amin'ny lalàmpanorenana, dia andraikitry ny eny amin'ny Fitsarana tsotra ny raharaha fanenjehana tsy misy ifandraisany amin'ny asa naha lehibena andrim-panjakana.
FISANDOHANA ANDRAIKITRA, NIBAIKO NY MPITANDRO FILAMINANA ?
Vesatra sy raharaha maromaro no hanenjehana azy tamin'ireny hetsika am-pilaminana izay notarihin'ny tanora ireny. Herisetra niaro faty olona, betsaka ny fitarainana tonga teo anivon'ny Fitsarana, Minisiteran'ny Fitsarana,... ka ny Tonia mpampanoa Ambony eo anivon'ny "Cour de cassation" no nanome baiko hanaovana ny fanadihadiana. Navoitra fa nandray toerana tsy tokony ho azy, nanao fitsabahana na "usurpation de fonction" tsy tao anatin'ny andraikitra maha Filohan'ilny Antenimierandoholona. Raha haravona, fandikan-dalàna tsy tao anatin’ny asany maha filohana Andrimpanjakana azy no hanenjehina azy ka noho izany dia fitsarana tsotra no mandray ny raharaha fa tsy ny fitsarana ambony (haute cour de justice). Ahiana ho nanome baiko mpitandro filaminana nandritra ny fihetsiketsehana ny volana septambra sy oktobra ity jeneraly ity, izay tsiahivina fa ny 25 septambra 2025, dia izy tenany nivanta no nidina teny an-kianja toa nanome toromarika ny mpitandro ny filaminana. Henjana ny famoretana, fisamborana, habibiana, fitifirana, faty olona, ratra,...
TSIKOMBAKOMBA TAMIN’NY VONO OLONA AN-TSITRAPO…
Nanamafisin’ny Minisiteran’ny fitsarana ny fisiana vesatra maro sy efa fahangonana porofo, ka anisan'izany ny firaisana tsikombakomba tamin’ny famonoana olona an-tsitrapo, firaisana tsikombakomba amin’ny fanararaotana ka nahatonga ratra, fanararaotana ara-bola, ary fanohintohinana ny filaminam-bahoaka, … Ankoatra ny fisandohana andraikitra dia anisan'ny vesatra mety hanenjehan'ny fitsarana azy ihany koa mazava ho azy ny firaisana tsikombakomba tamina vono olona sy fandratrana olona, azo sokajiana ho ao anatin'ny heloka bevava manitsakitsaka ny maha olombelona na "crime contre l’humanité" voafaritry ny lalàna Iraisam-pirenena dia Statut de Rome (1998, Article 7). Mavesatra Ary sarotra mazava ho azy ny raharaha hanenjehana ity Jeneraly misotro ronono ity, eny fa tsy mijanona amin'ireo raharaha tato ho ato aza fa manomboka misy mamoha hatramin'ireo nanomboka ny 2009,... Tsy mijanona eo aminy fa manomboka misy mamoha ihany koa ny anarana tompon'andraikitra ambony hafa tamin'ny famoretana sy habibiana nandritra ireny hetsi-bahoaka.
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»