airtel

Actualités

26-avril-2024

Jirama

Mihamafy andro aman’alina ny olana sy fahasimbana

Sample post image

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

26-avril-2024

indrindra tamin’ny faritra manodidina an’i Mahazo, Ankadindramamy, Soamanandrariny,… Fahapahana "câble" na taribin-jiro mitondra herinaratra mavesatra tao Ambatomaro no voalaza fa antony, ka mbola maro ireo toerana vatsian'ny “sous-station” Ambodivona no tsy misitraka herinaratra amin'izao ora izao noho ity voina ity, hoy ny Jirama tamin’ny 8ora alina tany ho any. Nialoha ity tao Ambatomaro ity anefa, dia efa nisy tranga tahaka izao ihany koa teny Ambohimanambola omaly ihany, ka nilazan’ny Jirama fa filatsahana in-droa miantoanan’ireo vata mpanova herinaratra mahery vaika TR7 sy TR8 ao Ambohimanambola omaly hariva ka tokony ho tamin'ny 5 Ora latsaka fahefany ny voalohany no antony. Niverina indray izany rehefa namerina ny tambazotra ny teknisiana tamin'ny 5 Ora latsaka dimy minitra teo, hoy ny fanazavana. Io no Vinavinaina ho fahavoazana eo amin'ny zotra mitondra herinaratra mahery vaika avy ao Ambohimanambola mankao amin'ny “sous-station” Ambodivona no mahatonga ity fahatapatapahana matetika ity ka hanara-dia io tambazotra io teknisiana izao, hoy ny fanazavana, avy eo nipoitra indray ity resaka fahavoazana tao Ambatomaro ity. Nomarihina fa mitranga izao filatsahan'ny vata mpanova herinaratra TR7 sy TR8 ao Ambohimanambola izao rehefa misy tsy fahatomombanan'ny iray amin'ireo zotra mitondra herinaratra mahery vaika ao amin'ny PIA Ambohimanambola. Manao ranolava ny ambara fa fahasimbana sy olana lehibe eo amin’ny JIRAMA na amin’ny lafiny rano io na ny angovo, izay mampitombo ny fahoriam-bahoaka. Somary mahagaga ihany anefa indraindray hoe: tena olana sy fahasimbana teknika fotsiny tokoa ve sa noho ny tsy fahampiam-bola hoentina manefa ny vidin’ny herinaratra vidiana amin’ny tsy miankina dia mitombo ny fihenan’ny famokarana toy ny efa nampihenana 20% ny famatsiana solika ireo toby manerana ny Nosy ankoatra an’Antananarivo, Nosy Be, Sainte Marie? Mandra-pahoviana no hionona amin’ny fitadiavana resaka sy antonin’ny delestazy sy krizin-drano lava fa tsy mba hahavita vahaolana mahomby sy maharitra? Tena mbola olan’ny Jirama manokana ve io sa efa olan’ny Fanjakana Rajoelina mihitsy saingy ny Jirama no lozirinalava eto?
Toky R


 

Dans la même rubrique

06-mai-2024

Andrasana indray ny fandrendrehana saim-bahoaka na «diversion» manaraka,

Card image cap
06-mai-2024

Nofoanana ny fameram-bidy na "prix plancher" nataon'ny Fanjakana tamin'ny alalan'ny Minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra

Card image cap
06-mai-2024

Mitaky ny fanadihadihadiana lalina hivoahan’ny marina teo anatrehan’ilay raharaha fahatrarana sokatra 1076 sy ragidro 48

Card image cap
06-mai-2024

Betsaka ireo olona tra-doza eny rehetra eny isan’andro. Ankoatra ireo torana fa tsy nisakafo maraina na koa lasibatry

Card image cap
06-mai-2024

Rehefa tonga nefa ny misasakalina iny, dia rendrika soa ihany.

Card image cap
03-mai-2024

Feno 7 taona katroka omaly 02 mey 2024 ny onjam-peo Top Radio 102.8 FM amin’ny endriny ankehitriny

Card image cap