airtel

Actualités

26-déc-2023

Jirama olana mandavan-taona

Raha ny vola natosaka tao efa nahavitana zavatra maro…

Sample post image

Manoloana ny faharitran'ireo renirano izay mahatonga fihenan'ny vokatra vatsiana

26-déc-2023

eto Antananarivo sy ny manodidina, antony isian'ny fikorontanana na fahatapahana mihitsy eo amin'ny famatsian-drano dia manamafy ny fepetra vonjimaika hahafahana manohy ny famatsian-drano ny Mponina ny Orinasa Jirama sy ny Ministeran'ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, hoy ny Jirama ny faran’ny herinandro teo, izay nilaza fa miasa andro aman’alina ny kamio citernes mamatsy ireo faritra mena. Iny no nolazaina tamin’ny resaka rano. Misy fikorontanana ny famatsiana herinaratra eto amin'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo ary tapaka tanteraka mihitsy izany tamin'ny 8 Ora alina teo noho ny tsy fahatomombanan'ny tambazotra mitondra herinaratra mahery vaika avy any Mandraka, ka nampikatso ireo vata mpanova herinaratra (Transformateurs) roa lehibe mamadika izany herinaratra izany ao Ambohimanambola. Vokatry ny oram-be eo anelanelan'Ambohimanambola sy Mandraka no mahatonga izany tsy fahatomombanana izany. Ka rehefa tonitony ny andro dia miverina tsikelikely amin'ny laoniny ny famatsiana, hoy kosa ny fanazavana momba ny herinartra. Ritra ny renirano ho an’ny famatsian-drano, orambe kosa ho an’ny fahatapahan-jiro,… Manodidina ny 300 hatramin’ny 500 mliara Ar na mihoatra aza isan-taona ny fanohanana na « subvention » omena ny Jirama avy amin’ny volam-panjakana. Tsy mahavaha olana anefa, io ve tsy efa nahavitana « centre d'épuration » roa na maromaro, ohatra hoe : eny Ivato na Andranotapahana na Mamamba, mitovy amin’i Mandroseza hamatsiana iny tapany andrefana iny. Raha 350 miliara Ar isan-taona eo amin’ny 80 tapitrisa dolara eo, 150 hatramin’ny 300 tapitria dolara eo ny manamboatra « central hydroélectrique » iray aty Afrika. Eo amin’ny 4 taona eo ny fanatanteraha azy. Raha nanomboka tany ho any amin’ny 2010 izany mety efa nilamindamina isika.
Toky R

 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),

Card image cap
02-juin-2025

DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely

Card image cap
30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap