airtel

Actualités

08-janv-2021

Actualités

Jiro amoron-dalana eto Iarivo Hosoloina jiro mandeha amin’ny masoandro avokoa

Sample post image

Hosoloina jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro avokoa ireo jiro amoron-

08-janv-2021

 

 

 

dalana rehetra eto an-drenivohitra hoy ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra Naina Andriantsitohaina. Tetikasa roa vaovao ihany koa no hiarahan’ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny SAMVA (Service autonome de maintenance de la ville d'Antananarivo) miara-hiasa amin’ity taona ity ka ho tafiditra ao anatin’izany ny ady amin’ny fiparitahan’ny fako izay mampitaraina ny maro. Nivoitra ireo omaly nandritra ny fitsidihan’ny Ben’ny tanana ireo mpiasa teny amin’ny boriborintany faha-enina. Nambarany tamin’izany fa hisy ny tetikasa fanavaozana ireo fitaovana sy solosaina hampiasaina eny anivon’ireo boriborintany enina eto an-drenivohitra mba hanafainganana ny fandraiketana ny asa anaty solosaina. Hisy ihany koa ny fananganana birao vaovao ho an’ny boriborintany fahadimy eny Analamahitsy na Androhibe hoy izy. Inoana araka izany fa hanatanteraka ny teniny ity Ben’ny tanàna ity mba tsy handiso fanantenana ny vahoaka.

 Pati

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap