airtel

Actualités

23-sept-2024

JIRO SY RANO ENY ITAOSY

Samy tapa-dava, manambana higrevy ny mponina

Sample post image

Mafy ny fahatapahan-jiro sy ny fahatapan-drano teny amin’iny faritr’Itaosy Atsimondrano iny nanomboka ny

23-sept-2024

herinandro teo. Mbola nitohy hatramin’ny faran’ny herinandro teo izany, antony tena manorisory ny mponina. Tsy mba misy fiainana hiarahana amin’ny fianakaviana toy ny mahazatra intsony mantsy fa ny fahasahiranana ateraky ny jiro sy ny rano tapaka no betsaka. Tamin’ny Sabotsy sy Alahady teo ohatra dia amin’ny 02 ora sy 45 minitra maraina dia efa milaha-drano eny amin’ny paompy ny olona mba hanaovana faran’ny herinandro. Mitsitaitaika toy ny tariby mitondra herinaratra mantsy no mba fandehan’izany raha vantany vao manomboka amin’ny 06 ora maraina ary tsy misy intsony indray raha tsy amin’ny 03 ora hariva any ho any indray. Mahatsiaro leo ny isan-tokantrano vokatr’izany. Saika voakasik’ity fahatapahan-jiro sy rano ity avokoa moa ny mponin’Itaosy iray manontolo manomboka eny Ambonisoa, mandalo dalle sy Andranonahoatra, Vinany, mipaka hatrany Ambohidrapeto. Ny faktioran’ny JIRAMA anefa eo an-daniny tsy mitsaha-midangana.
Pati
Legende : Tahaka izao ny filaharan-drano teny Itaosy teny !
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap