airtel

Actualités

08-avril-2024

Jono tsy ara-dalàna

Sambo Srilankais 3 no efa tratra

Sample post image

Sambo srilankais telo no tratra nanjono tany tamin'ny fari-dranomasin'i Madagasikara,

08-avril-2024

raha ny tatitry ny minisiteran’ny jono sy ny toekarena manga ny faran’ny herinandro teo. Tsy vao sambany fa fanintelony izao no nahatratrarana sambo Srilankais, manjono tsy ara-dalàna, aty amin'ny Fari-dranomasin'i Madagasikara, izay miisa 3 izy ireo, raha ny fanamarihana. Marihina anefa fa 4 500km miala an'i Madagasikara no misy an’i Sri-Lanka. Manodidina ny 15m eo ireo sambo ampiasan'izy ireo, izany hoe: tsy natokana hanao haute mer, araka ny fanazavana netin’ny Minisitry ny jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert. Avy any Sri Lanka izy ireo no nankao amin’ny Faritra Melaky ny roa, ny iray kosa tany amin'ny Faritra DIANA, tao avaratra andrefan’i Nosy-Be, raha ny marimarina tokoa. Efa voatazona ao amin'ny seranatsambon’i Nosy-Be ny volana oktobra ny iray taloha. Ireo sambo roa tratra ny faran’ny volana martsa kosa, dia voatazona eto amin'ny seranatsambon’i Mahajanga. Ireo tantsambo kosa, raha ho an'i Nosy-Be, dia efa nody, ny ao Mahajanga kosa dia voatazona am-ponja. Marihina fa tsy nahazo alalana hanjono eto ireo sambo ireo. I Madagasikara rahateo tsy manana fifanaraham-pirahamiasa momba ny jono miaraka amin’i Srilanka, hoy ny tatitra. Nahitana fitaovam-panjonoana sy vokatry ny jono maro ireto sambo ireto, ka izao tra-tehaky ny CSP amin’ny alalan’ny Atsantsa izao, hoy hatrany ny tatitra. Andrasana ny tohiny!
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap