dia nosoratana tamin’ny rejisitra malagasy ireo Boeing 777-200 dimy tonga any amin’ny Repoblika Islamika Iranianina. Tao amin’ny Lanzhou (Shina) ary avy eo tao Jakarta (Indonezia) no nisy azy ireo voalohany, ary avy eo nandalo an’i Kambodza alohan’ny nahatongavany tany Tehran tamin’ny 15 Jolay. Ny foibe ara-pitantanana mikasika izany dia Antananarivo, satria teo no azo nanoratana avy lavitra mba ho “ara-dalàna, raha ny lahatsoratry ny Africa Intelligence. Nampiasa orinasa malagasy mampiahiahy dia ny Udaan Potentials Ltd (izay fantatra teo aloha amin’ny anarana Falcon Impex) izay nisoratra ara-barotra amin’ny anarana Udaan Aviation. Tao ambadika azy io ny mpandraharaha Indiana Khushwinder Singh izay namoahana fikarohana. Izy io izay voalaza fa efa mipetraka eto Madagasikara am-polo taona mahery, ary manana petra-bola 90 % amin’ny orinasa mitovy anarana amin’io (Udaan Potentials Ltd) ao Maurice, izay natsangana tamin’ny taona 2022. Io orinasa io dia foana tanteraka ny fanoratana azy sy ny fisiany tao anatin’ny lisitry ny orinasa, tamin’ny 16 Janoary 2025, iray andro nialohan’ny nahazoana ireo « certificats provisoire » avy amin’ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) ny 17 Janoary, araka ny lahatsoratra navoakan’ny Africa Intelligence. Ity Khushwinder Singh ihany koa dia voalaza ao tompon’orinasa ao amin’ny Elite Mada (miandraikitra fanondranana sy fanafarana fitaovana fanorenana, fanondranana hanitra ary asa momba ny harena an-kibon’ny tany), ary mpitantana ao amin’izany i Heriniaina Rijasoa Andriamananarivo izay sady nitantana an’i Udaan Potentials. Tamin’ny Martsa 2025, dia naneho faniriana ny Elite Mada fa hividy 49 % amin’ny ampahan’ny banky maorisianina lehibe iray eto amintsika. Tsy vao izao i Khushwinder Singh no mpilalao amin’ny sehatra ara-bola, satria izy koa no CEO an’ny Mada Gold Coin sy Crypto Bull, orinasam pifanakalozana cryptomonnaie, raha ny voalazan’ny Africa Intelligence hatrany. Filoha lefitry ny raharaha iraisam-pirenena ao amin’ny « Chambre de commerce et d’industrie de Nosy Be », ary nandray anjara tamin’ny delegasionina malagasy tany Inde tamin’ny Desambra 2019 sy tany Royaume Uni tamin’ny Septambra 2024, niaraka tamina filohana andrim-panjakana iray am-perin’asa iray ihany koa. Ny Minisitry ny fitaterana izay nesorina dia Valery Ramonjavelo dia nolazain-dRtoa Rinah Rakotomanga fa nifanerasera tamin’i Khushwinder Singh io teto, tany Dubai, Shanghai,… Mazava ho azy fa tsy vahiny fa tompon-trano tany anaty rafitra sy Fanjakana ity farany.
Toky R