airtel

Actualités

11-janv-2024

Kaikitra hafahafa mahazo ny omby

Hiroso amin’ny famonoana alika faobe ny ao Brickaville

Sample post image

Tamin’ny amin’ny oktobra 2022 no nirongatra ny fisiana tranga mahazo ny

11-janv-2024

omby izay misy biby voalaza fa tsy fantatra sy mbola misitery mihinana azy amin’ny alina, any Brickaville. Tranga izay misitery tamin'ny mponina, noheverina ho biby tsy fantatra tonga manafika zanak'omby mifatotra amin'ny alina. Somary lefilefy saingy nirongatra indray tato anatin’ny 3 volana, ka omby 12 teo no efa voa tato ho ato, raha toa ka efa manodidina ny 40 hatramin’izay. Saika maty avokoa ny ankamaroan’ireo omby izay voakaikitra eny amin’ny vavany, sofiny, kibony izay tena maratra mafy mihitsy. Nisy ny fanadihadiana lalina notarihin'ny sampana miandraikitra ny Fitsaboana biby (Direction de Service Vétérinaire) avy amin'ny minisiteran'ny Fambolena sy Fiompiana, ka voalaza fa mety andiana alika lian-dra no manaikitra, mamparatra omby any Brickaville. Raha ny tatitra dia nisy ny olona nijoro vavolombelona nahita aliaka mihoson-dra, fa na izany aza dia mbola maro ireo olona mieritreritra fa mbola misitery tanteraka ity tranga hafahafa ity. Eo anatrehan’ny zava-misy, hiroso amin'ny famonoana alika faobe any Brickaville ny tomponandraikitra manomboka anio 11 janoary 2024, ary efa mandeha ny fanentanana mialoha. Ny alika mirenireny no hovonoina amin'ny alalan'ny poizina, raha ny fanazavana. Nomarihina nandritra ny fivoriana niarahana tamin'ny tomponandraikitra tany an-toerana fa efa nisy tranga toy ity tany Nosy Varika, ary nitsahatra taorian'ny famonoana alika faobe, hoy ny tatitra. Heverina ho antony mahatonga ny alika ho nanafika omby ny tsy fahafahan'izy ireo intsony niditra tao amin'ny labatoara Brickaville, taorian'ny famefena ity toerana famonoam-biby ity nanomboka ny taona 2022, hoy ny petra-kevitra nivoaka.

Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap