airtel

Actualités

30-oct-2024

Kandida ho Filohan’ny Kaomisionin’ny UA

Mivoy ny fanatanterahana ny ZLECaf i Richard Randriamandranto

Sample post image

Nifoha kely indray ny resaka fandrotsahan’ny Fitondrana Malagasy an’Atoa Richard Randriamandranto

30-oct-2024

ho filohan'ny Komisionan'ny Vondrona Afrikana. Nisy ny fanambarana nataony mikasika ny vina entiny, ka nanasongadina ny fampidirana sy ny fitomboan'ny toekaren'i Afrika amin'ny faniriana hanamafy ny fanatanterahana ny Faritra hanalalahana ny fifanakalozana ara-barotra malalaka Afrikanina na ny ZLECAf. Nambarany fa zava-dehibe sy tsy azo hihodivirana io aty Afrika mba ahafahan'ny kaontinanta manatanteraka sy maneho feno ny herijakany ara-toekarena, mba hanana ny lanjany sy toerana eo amin'ny rafitra ara-toekarena manerantany. Manamafy ihany koa i Richard Randriamandranto fa ny firenena afrikanina dimy dia mamokatra 50 % ny harin-karena faobe na PIB kontinentaly, izay 2,8 miliara USD. Noho izany, ny ZLECAf dia hanampy amin'ny fanomezana fahafahana ny firenena tsirairay handray anjara amin'ny fitomboan'ny toekarena ao amin'ny kaontinanta, manokatra ny herijika amin'ny tsenan'i Afrika. Amin’ny taona 2025 moa ny fifidianana izay ho Filohan’ny Kaomisionin’ny Vondrona Afrikanina ka asa hanao ahoana ny vokatra ho an’ity kandida ity. Ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina no naniry sy nifandresy lahatra ireo mpitondra Fanjakana Afrikanina, saingy tsy nomen’ny Fanjakana Rajoelina hirika, ka nahatonga an-dry Rivo Rakotovao nilaza fa lalao iraisam-pirenena ve no atao dia mpilalao « 4ème division » no hampiakarina kianja. Andrasana ny tohiny satria mety manana ny paikadiny ihany koa ny fitondrana ka ny vokatra no hamaritra ny fahombiazany na tsia fa raha ny resaka diplaomasia sy jeopolitika aloha dia toa lasa malaza ratsy noho ny lafiny maro i Madagasikara, ary toa malailaifonosana amintsika ny firenena sasany raha tsy hilaza afatsy ny raharaha trafikana volamena nifanolanana tamin’i Afrika Atsimo, dia io ihany koa ny lonilony amin’i Kaomoro izay ny Filohany Azali Assoumani no Filohan’ny Vondrona Afrikanina !
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap