niainga tao Toamasina handalo Diego ary hiazo an'i Nosy Be izy ity. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy, tsy nahitana soritra na ratra ny vatany, araka ny filazan'ny mpitsabo sy ny Polisim-pirenena nanatri-maso ny razana. Efa nilaza ho nararirary izy alohan'ny niaingana tao Toamasina ny 18 aogositra ary naka toerana natory nakana aina. Mbola nivoaka nijery ny ekipa izy tamin'ny 3 ora maraina, nony nisy olana ny sambo. Tamin'ny 12 Ora antoandro vao namoha azy hisakafo ny ekipa. Hita tamin'izany fa tsy nahatsiaro tena izy. Nony tonga teo amin'ny fari-dranomasina mifanandrify an'i Sainte Marie anefa dia tsikaritra fa tsy nisy aina intsony ity mpitondra sambo ity, hoy ny fanazavana. Nantsoina avy hatrany ny APMF izay sampan-draharaha misahana ny fifamoivoizana an-dranomasina avy ao Sainte Marie, saingy rehefa tong any APMF niaraka tamin'ny mpitsabo dia tsikaritra fa efa tsy nisy aina intsony ity mpitondra sambo ity, araka ny fanampim-panazavana hatrany. Nambenana tao Sainte Marie ny razana halina, ka ny fikambanana Zanak'i Fenerive Est - Soanierana Ivongo - Vavatenina (ZAFENOSOAVA) no nikarakara mandra-pitondrana azy an-tanindrazany ao Ambodimangan'i Mahalena, kaominina Ambatoaranana, Fenoarivo Atsinanana. Efa lasan'ny fianakaviana ny razana androany 20 aogositra maraina. Nambaran'ny fikambanana nandray an-tanana azy fa nandrasana teo an-davarangana ny razana noho izy mpihavy satria tsy nahitana trano nefa nisy olana ny fangatahana ny tranompokolona tamin'ny ben'ny tanànan'i Sainte Marie, hoy hatrany ny tatitra.
Nangonin’I Toky R
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny