Raha araka ny vaovao azo mantsy dia novatsian’ny ONG GRET/ADER-MEH sy ny orinasa HIER herinaratra azo avy amin’ny angovo azo havaozina izy ireo. Miainga ao amin’ny ranon’Andriamanjavona Ampandrana any amin’ny distrikan’i Bealanana izany. Anisan’ny mahazo tombontsoa amin’ity tetikasa ity ny kaominina an-drenivohitr’i Bealanana. Vokatry ny fiaraha-miasan’ ny solombavambahoaka sy ny Governoran’ny faritra Sofia tamin’ireo mpiaramiombon’antoka aminy, ny Orinasa HIER ( Hydro Ingénierie Études Réalisation ) ‚ ny ONG GRET/ADER-MEH no nahafana nanatanteraka izany ho fampandrosoana tanàna sy hamahana ny olàn’ny mponina . Tsy voatery hiantehatra amin’ny herinaratra vatsian’ny orinasa JIRAMA ihany araka izany ny rehetra fa afaka mitady lalana hafa ihany koa.
Nangonin’i Pati Legende : Miainga avy amin’ity renirano ity ilay herinaratra !
Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,
Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly
Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana
An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.
Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,