Efa vita ao anatin'ny 5 na 10 minitra mantsy izao ny kopia iray alaina ao amin'izy ireo, fiovana manara-penitra efa niainan'ny mponina efa ho tapa-bolana izao. Raha araka ny fanazavan'ny Ben'ny tanana dia vokatry ny fanohanan'ny Prodicide Giz azy ireo no nahafahany nikarakara ilay rindram-baiko namadihana ho ao anaty soloina ireo boky marobe mirakitra ny anaran'ireo olona teraka na maty...tao amin'ity kaominina ity. Ny 50 isan-taon'ireo boky no efa tafiditra ao anatin'ny solosaina ankehitriny. Marihina moa fa 600 Ar ny manao kopia iray amin'izao ao amin'ny kaominina Alasora. Vita ao anatin'ny fotoana fohy daholo kosa na kopia mariazy na fahaterahana na fanjanahana na fahafatesana....Tanjon'ny kaominina moa ny hampihena ny fanamboarana kopia ho 2 na 3 minitra ao aminy hatramin'ny taona 2024. Tsiahivina fa nahatratra 1000 mahery isan-taona ny zaza teraka ao Alasora. 418 kosa ireo maty tamin'ny taon- dasa raha 555 ireo vita mariazy.
Pati
Légende : Randriantsoa Jimmy, Ben'ny tananan'Alasora
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny